Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 15 Des.
“Amin’izao faran’ny taona izao, dia olona maro no mieritreritra an’ireto tenin’ny anjely tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy ireto. [Vakio ny Lioka 2:14.] Mino ve ianao fa hisy fiadanana tokoa eto an-tany? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity gazety ity, fa tsy ho ela i Jesosy dia hitondra tena fiadanana etỳ an-tany.”
Mifohaza! Des.
“Samy hafa ny hevitry ny fivavahana maro momba ny fisotroan-toaka. Inona no lazain’Andriamanitra momba azy io, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mampitandrina toy izao ny Baiboly. [Vakio ny Ohabolana 20:1.] Hazavain’ity lahatsoratra ity hoe ratsy ve sa tsia ny misotro toaka.” Asehoy ilay lahatsoratra manomboka eo amin’ny pejy 18.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jan.
“Inona no atao hoe fahombiazana, araka ny hevitrao? Ny olona manankarena ve no atao hoe mahomby? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny 1 Timoty 6:9, 10.] Marina fa tsy ratsy ny manam-bola, araka ny hita ao amin’ny Baiboly. Voalaza ao anefa fa tsy miankina amin’izany ny tena fahombiazana. Manazava momba izany ity gazety ity.”
Mifohaza Jan.
“Mino ve ianao fa tena ho tanteraka ity voalaza ity? [Vakio ny Isaia 33:24, ary avelao izy hamaly.] Resahin’ity gazety ity ny zava-bitan’ny mpahay siansa teo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Hazavaina ato koa fa ho tanteraka ilay fampanantenana novakintsika teo.”