Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Des.
“Voamarikao ve fa samy manana ny ataony hoe madio ny olona? [Avelao izy hamaly.] Ity misy antony iray mampiseho fa zava-dehibe ny fahadiovana. [Vakio ny 1 Petera 1:16.] Misy torohevitra azo ampiharina mba hitandrovana ny fahadiovana ato amin’ity lahatsoratra ity.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 9.
Mifohaza! Des.
“Maro no miezaka manome voninahitra an’i Jesosy rehefa faran’ny taona toy izao. Ahoana no fomba tsara indrindra hanaovana izany, raha jerena ity andinin-teny ity? [Vakio ny Jaona 14:15, ary avelao izy hamaly.] Tsy fantatra ny daty marina nahaterahan’i Jesosy. Mety ho gaga àry ianao hoe nahoana ny Krismasy no natao 25 Desambra.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 10.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jan.
“Samy manana ny fiheverany an’i Maria, renin’i Jesosy, ny olona eran-tany. Ahoana kosa no hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Asehon’ny Baiboly fa nanana anjara asa niavaka izy. [Vakio ny Lioka 1:30-32.] Hazavain’ity gazety ity izay azontsika ianarana avy amin’i Maria.”
Mifohaza! Jan.
“Miharìtra ny farihy sy ny renirano maro eran-tany, ary olona an-tapitrisany no tsy mahazo rano fisotro madio. Afaka manome vahaolana maharitra amin’izany ve ny olombelona, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Jeremia 10:23.] Resahin’ity gazety ity fa ho voavaha tanteraka io olana io, araka ny voalazan’ny Baiboly.”