Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 15 Feb.
“Misy mihevitra fa simban’ny olona ny tany ankehitriny. Mampanahy anao ve izany? [Avelao izy hamaly.] Mariho anefa izao fampanantenana mampahery izao. [Vakio ny Apokalypsy 11:18.] Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana ny planeta tany no tena miavaka. Aseho ato koa izay lazain’ny Baiboly momba ny hoavin’izy io.”
Mifohaza! Feb.
“Tsy ity voalaza ato amin’ity andininy ity ve no antony iray mahabe zava-manahirana eto an-tany? [Vakio ny 1 Jaona 5:19, ary avelao izy hamaly.] Aseho ato amin’ity lahatsoratra ity izay lazain’ny Baiboly momba ny hoe iza moa ‘ilay ratsy’, ary inona no azo atao mba tsy ho voafitany.” Asongadino ilay lahatsoratra manomboka eo amin’ny pejy 12.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mar.
“Maro no mihevitra fa eken’Andriamanitra ny fivavahana rehetra. Mety daholo ve izay fivavahana fidin’ny olona, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho ity torohevitra ity. [Vakio ny 1 Jaona 4:1.] Resahin’ity gazety ity ny fomba hamantarana raha avy amin’Andriamanitra ny fampianarana iray na tsia. Hazavainy ato koa hoe ahoana no nampisy ny fivavahana maro.”
Mifohaza! Mar.
“Inona no zava-tsarotra sasany atrehin’ny tanora ankehitriny, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Iray amin’izany ny fahazoana namana tsara. Milaza toy izao mantsy ity andininy ity. [Vakio ny Ohabolana 13:20.] Resahin’ity gazety ity fa mampidi-doza ny mampiasa Internet mba hitadiavana namana. Hita ato koa ny fomba iarovana ny tanora amin’izany.”