FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/07 p. 8
  • Fomba Fanolorana Gazety

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fanolorana Gazety
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Fomba Fanolorana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 5/07 p. 8

Fomba Fanolorana Gazety

Ny Tilikambo Fiambenana 15 Apr.

“Mihabetsaka ny habibiana ankehitriny. [Milazà zava-nitranga teo an-toerana, na ohatra iray avy ao amin’ilay gazety atolotra.] Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny olona no mahavita habibiana toy izany? [Avelao izy hamaly.] Efa nilaza ny Baiboly fa hihamaro ny olona manao habibiana. [Vakio ny 2 Timoty 3:1-5.] Ho hitanao ato amin’ity gazety ity ny valin’ny fanontaniana hoe ‘Mbola ho foana ve ny habibiana?’ ”

Mifohaza! Apr.

“Maro ny olona mihambo ho Kristianina. Iza no atao hoe Kristianina, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho izay nolazain’i Jesosy. [Vakio ny Jaona 15:14.] Hazavain’ity lahatsoratra ity fa tsy ampy ny milaza fotsiny hoe: ‘Kristianina aho.’ ” Asongadino ilay lahatsoratra manomboka eo amin’ny pejy 26.

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey

“Malahelo be ny ray aman-dreny maty zanaka, ary tsy misinda vetivety izany. Iza no afaka mampionona azy ireo, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Romanina 15:5.] Resahin’ity gazety ity ny fomba sasany ampiononan’Andriamanitra an’ireo nidonam-pahoriana.”

Mifohaza! Mey

“Manankarena ny olona sasany, nefa an-tapitrisany no miaina ao anatin’ny fahantrana. Araka ny hevitrao, mbola ho foana ve izany tsy fitoviana izany indray andro any? [Avelao izy hamaly.] Mariho ny fiheveran’Andriamanitra ny mahantra. [Vakio ny Salamo 22:24.] Hazavain’ity gazety ity ny fanantenana omen’ny Baiboly ny mahantra.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara