Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Aprily
“Maro no mankalaza ny nahaterahan’i Jesosy. Ilaina koa ve anefa ny mahatsiaro ny nahafatesany? Ahoana ny hevitrao?” Avelao izy hamaly. Omeo azy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa, ary diniho miaraka aminy ireo fehintsoratra eo ambanin’ny fanontaniana voalohany, eo amin’ny pejy 16. Mamakia andininy iray, fara fahakeliny. Manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa
“Be dia be izao ny fivavahana, nefa samy manana ny finoany. Aminao ve izay rehetra milaza azy ho Kristianina dia tena Kristianina daholo? [Avelao izy hamaly.] Ity misy zavatra iray noresahin’i Jesosy hoe amantarana ny tena Kristianina. [Vakio ny Jaona 13:34, 35.] Mbola misy lafiny hafa koa nolazain’i Jesosy. Miresaka izany ity gazety ity.”
Mifohaza! Martsa
“Voamarikao ve lasa mora tezitra ny olona amin’izao? Inona no mahatonga izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Izao no torohevitry ny Baiboly. [Vakio ny Salamo 37:8.] Lazain’ity gazety ity ny antony sasany mahatonga ny olona ho mora tezitra sy ny vahaolana amin’izany.”