Nahoana Isika no Mitory?
Nahoana isika no mitory sy mampianatra ny vaovao tsara? Tsy ny hanampy ny olona tso-po handeha amin’ny “lalana mankany amin’ny fiainana” ve? (Mat. 7:14) Io no antony voalohany voalaza etsy ambany. Tsy io anefa ny antony lehibe indrindra anaovantsika izany. Iza amin’ireto antony 12 ireto àry no hitanao fa lehibe indrindra?
1. Mamonjy aina.—Jaona 17:3.
2. Mampitandrina ny ratsy fanahy.—Ezek. 3:18, 19.
3. Manatanteraka faminaniana.—Mat. 24:14.
4. Manome porofo fa manao ny rariny Andriamanitra. Omen’i Jehovah fahafahana hibebaka ny ratsy fanahy, mba tsy hisy hanome tsiny azy rehefa handringana izy.—Asa. 17:30, 31; 1 Tim. 2:3, 4.
5. Manatanteraka ny adidintsika hanampy ny olona hanompo an’i Jehovah. Novidina tamin’ny ran’i Jesosy koa mantsy izy ireny.—Rom. 1:14, 15.
6. Mba ho afaka amin’ny trosan-dra.—Asa. 20:26, 27.
7. Anisan’ny zavatra takina amintsika raha te ho voavonjy isika.—Ezek. 3:19; Rom. 10:9, 10.
8. Tia ny mpiara-belona amintsika.—Mat. 22:39.
9. Mankatò an’i Jehovah sy ny Zanany.—Mat. 28:19, 20.
10. Anisan’ny fanompoantsika an’i Jehovah.—Heb. 13:15.
11. Tia an’Andriamanitra.—1 Jaona 5:3.
12. Manamasina ny anaran’i Jehovah.—Isaia 43:10-12; Mat. 6:9.
Mazava ho azy fa tsy ireo ihany no antony anaovantsika fanompoana. Manatanjaka ny finoantsika koa, ohatra, izany ary mahatonga antsika ho lasa mpiara-miasa amin’Andriamanitra. (1 Kor. 3:9) Ilay faha-12 anefa no antony lehibe indrindra itoriantsika. Na mihaino ny olona na tsia, dia manamasina ny anaran’Andriamanitra ny fanompoana ataontsika, ary mahatonga an’i Jehovah ho afaka hamaly an’ilay manaratsy Azy. (Ohab. 27:11) ‘Tsy hitsahatra hampianatra sy hitory ny vaovao tsara’ àry isika, satria manana antony tsara anaovana an’izany.—Asa. 5:42.