Manontany ny Tanora—Ahoana no Hahazoako Tena Namana?
Nataon’i Jehovah hifandray sy hinamana ny olombelona. (Ohab. 17:17; 18:1, 24) Tsy maintsy mahay mifidy namana isika mba ho samy handray soa isika sy ny namantsika. (Ohab. 13:20) Afaka mamaly an’ireto fanontaniana ireto ve ianao rehefa avy nijery an’ilay video hoe Manontany ny Tanora—Ahoana no Hahazoako Tena Namana?
Fampidirana:
1) Olona hoatran’ny ahoana no tena namana?
Ireo Sakana Tsy Mamela Hahazo Namana:
2) Ahoana no handresena ny fahatsapana ho ailikilika? (Fil. 2:4) 3) Nahoana isika no mila vonona hanatsara ny toetrantsika, ary iza no afaka manampy antsika amin’izany? (2 Kor. 13:11) 4) Inona no azontsika atao mba hahazoana namana betsaka kokoa?—2 Kor. 6:13.
Fisakaizana Amin’Andriamanitra:
5) Ahoana no hahatonga antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah, ary nahoana isika no tokony hiezaka mafy ho akaiky azy? (Sal. 34:8) 6) Mety hahazo namana manao ahoana isika, raha i Jehovah no ataontsika namana akaiky indrindra antsika?
Ny Naman-dratsy:
7) Iza no naman-dratsy? (1 Kor. 15:33) 8) Nahoana ny naman-dratsy no manimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra?
Tantara Maoderina Iray:
9) Inona no ianarantsika avy amin’ny tantaran’i Dina ao amin’ny Baiboly? (Gen. 34:1, 2, 7, 19) 10) Inona no nataon’i Saraha fialan-tsiny rehefa ninamana tamin’ny ankizy tsy Vavolombelona izy? 11) Nitarika an’i Saraha ho amin’ny inona ny namany tany am-pianarana? 12) Nahoana no tsy hitan’ny ray aman-dreniny hoe efa mitady hidiran-doza i Saraha, nefa inona no toetran’izy ireo nanampy an’i Saraha hifandray tsara amin’i Jehovah indray? 13) Nahoana ny mpisava lalana iray no azo lazaina hoe tena namana ho an’i Saraha? 14) Inona no lasa tsapan’i Saraha?
Famaranana:
15) Inona no nianaranao avy tamin’ilay video? 16) Ahoana no azonao ampiasana an’io video io mba hanampiana ny hafa?
Enga anie isika hifidy namana hanampy antsika hinamana amin’Andriamanitra foana!—Sal. 15:1, 4; Isaia 41:8.