Fomba Fitory Modely
Fanasana Fahatsiarovana
“Manahoana ô. Intỳ misy fanasana ho anao sy ny fianakavianao, satria hisy fankalazana lehibe hatao maneran-tany, amin’ny talata 26 Martsa. Mitsingerina amin’io ny daty nahafatesan’i Jesosy. Hisy lahateny ara-baiboly amin’izay, hanazava hoe inona no soa azontsika noho i Jesosy maty ho antsika. Tsy misy vidim-pidirana ilay izy. Efa voasoratra ao amin’iny fanasana iny ny toerana sy ora hanaovana ilay fankalazana.”
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa
“Misy olona manontany hoe: ‘Tena natsangana tamin’ny maty tokoa ve i Jesosy e?’ Efa nieritreritra an’izany koa ve ianao? [Avelao izy hamaly.] Tena mila fantatsika ny valin’izany. Jereo ange ity e! [Vakio ny 1 Korintianina 15:14.] Hazavain’ity gazety ity fa tena natsangana tokoa i Jesosy, fa tsy hoe lainga fotsiny ilay izy.”
Mifohaza! Martsa
“Tena sarotra izao ny mitaiza, sa tsy izany? [Avelao izy hamaly.] Be dia be anefa ny ray aman-dreny nahazo torohevitra tsara avy ao amin’ny Baiboly. Ity, ohatra, misy iray. [Vakio ny Kolosianina 3:21.] Maro ny raim-pianakaviana lasa nidera sy nanampy ny zanany hatoky tena kokoa, rehefa avy namaky azy io. Mbola misy torohevitra efatra hafa ho an’ny raim-pianakaviana ato amin’ity gazety ity.”