Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Aprily
“Mampirisika ny olona hamaky Baiboly izahay. Maro anefa no mihevitra hoe sarotra be ny mahazo izay lazain’ny Baiboly. Izany koa ve ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ity e!” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy farany amin’ilay Tilikambo Fiambenana 1 Aprily. Iaraho midinika ny fanontaniana voalohany, ary mamakia andininy iray fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily
“Manana olana daholo ny olona niresahanay. Misy aza lasa mieritreritra hoe maninona àry no tsy misy dikany mihitsy ny fiainana. Inona, araka ny hevitrao, no tena mahatonga antsika tsy ho sambatra? [Avelao izy hamaly.] Mampanantena ny Baiboly fa tsy ho ela dia hesorin’Andriamanitra daholo ny olana mahazo antsika. [Vakio ny Apokalypsy 21:4.] Resahin’ity gazety ity izay hitranga amin’ny hoavy, sy izay azonao atao mba ho afa-po amin’ny fiainana dieny izao.”
Mifohaza! Aprily
“Fahita eran-tany ny olona mamono vady. Misy milaza fa ny kolontsaina sy fitaizana ary fialam-boly misy herisetra no mahatonga izany. Araka ny hevitrao, inona no tena mahatonga ny olona hamono vady? [Avelao izy hamaly.] Lazain’ny Baiboly hoe ahoana no tokony hifandraisan’ny mpivady. [Vakio ny Efesianina 5:33.] Resahin’ity gazety ity fa nisy mpivady nahavita nanavotra ny tokantranony, satria nanaraka ny torohevitry ny Baiboly.”