Hataontsika Volana Miavaka ny Volana Aogositra!
Hisy Taratasy Mivalona Vaovao Hozaraintsika Maneran-tany
1. Inona ilay ezaka manokana hatao maneran-tany amin’izao an-katoky ny faha-100 taonan’ilay Fanjakana izao?
1 Amin’izao an-katoky ny faha-100 taonan’ny Fanjakan’Andriamanitra izao, dia tena mety raha manao ezaka manokana isika mba hanomezana voninahitra an’i Jehovah. Mandritra ny volana Aogositra, dia hozaraintsika maneran-tany ilay taratasy mivalona vaovao hoe Iza no Mahavaly ny Fanontaniana Momba ny Fiainana? Mampirisika ny mpamaky hikaroka ny valim-panontaniany ao amin’ny Baiboly io taratasy mivalona io, sady manazava hoe afaka manampy azy hanao izany ny jw.org.
2. Inona no hataontsika raha te ‘hihoby mafy hidera an’i Jehovah’ isika amin’ny Aogositra?
2 Mihoby mafy midera an’i Jehovah: Misy fandaharana manokana atao ho an’izay te hanao mpisava lalana mpanampy amin’ny Aogositra. Ho afaka hampitombo ny fanompoany ny mpitory amin’izay. Afaka manao mpisava lalana mpanampy manatratra 30 ora ny mpitory vita batisa amin’io. Misy zoma sy asabotsy ary alahady dimy amin’io volana io, ka ho afaka hanao mpisava lalana mpanampy ireo miasa andavanandro. Afaka manararaotra koa ny mpianatra satria vakansy amin’io. Miresaha avy hatrany amin’ny anti-panahy mpandrindra raha te ho lasa mpitory ny olona ampianarinao Baiboly na ny zanakao. Tena hampahery azy ireo ny hiara-mitory amintsika amin’io volana miavaka io! Maro koa ny mpisava lalana maharitra miala sasatra rehefa volana Aogositra, satria nahafeno ny ora takina aminy isan-taona. Azon’izy ireo atao anefa ny manitsy ny fandaharam-potoanany mba handraisany anjara feno amin’ilay ezaka manokana. Tokony hifampiresaka koa ny mpianakavy dieny izao hoe ahoana no hahafahan’izy ireo ‘hihoby mafy hidera an’i Jehovah’ mandritra ny volana Aogositra.—Ezra 3:11; Ohab. 15:22.
3. Inona no antenaintsika amin’ity ezaka manokana ity?
3 Efa nanao ezaka manokana foana isika hatramin’izay. Manantena anefa isika fa hiavaka ity indray mitoraka ity. Mety hahazo tampon’isa vaovao ve isika amin’ny Aogositra, eo amin’ny ora sy ny isan’ny mpitory ary ny isan’ny mpisava lalana mpanampy? Enga anie i Jehovah hitahy ny ezaka hataon’ny vahoakany maneran-tany, amin’ny faran’ity taom-panompoana 2014 ity, ka ny volana Aogositra no ho volana miavaka indrindra amin’ny fitoriana hatramin’izay!—Mat. 24:14.