NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
“Intỳ Aho Iraho!”
Modely ho antsika i Isaia. Nanam-pinoana izy ka tonga dia vonona hamaly ny antso, na dia tsy fantany aza ny tsipiriany rehetra. (Is 6:8) Ary ianao? Misy fanovana azonao atao ve mba ho afaka hanompo any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa ianao? (Sl 110:3) Marina aloha hoe ilaina ny “manao kajy ny amin’izay ho lany.” (Lk 14:27, 28) Vonona hanao sorona anefa isika mba hamitana ny asa fitoriana. (Mt 8:20; Mr 10:28-30) Ho be lavitra noho ny sorona ataontsika ny fitahiana ho azontsika, araka ny asehon’ilay video hoe Manompo any Amin’izay Mila Mpitory Maro Kokoa.
VALIO IRETO FANONTANIANA IRETO REHEFA AVY MIJERY AN’ILAY VIDEO:
Inona ny sorona tsy maintsy nataon-dry William mianakavy mba hahafahany hanompo any Ekoatera?
Inona avy no nodinihin’izy ireo talohan’ny nifidianany ny toerana hifindrany?
Inona avy ny fitahiana azon’izy ireo?
Aiza ianao no hahita fanazavana bebe kokoa, raha te hanompo any amin’ny toerana ilana mpitory maro kokoa?
DINIHO IRETO FANONTANIANA IRETO AMIN’NY FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANAREO MANARAKA:
Inona no azontsika mianakavy atao mba hanompoana bebe kokoa? (km 8/11 4-6)
Raha tsy afaka mandeha manitatra faritany isika, inona avy no azontsika atao mba hanampiana ny fiangonantsika? (w16.03 23-25)