HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JEREMIA 25-28
Miezaha ho Be Herim-po toa An’i Jeremia
Nampitandrina i Jeremia hoe ho rava hoatran’ny tanànan’i Silo i Jerosalema
Efa tao Silo ny Vata misy ny fifanekena. Izy io no marika namantarana fa nanatrika teo i Jehovah
Navelan’i Jehovah halain’ny Filistinina ilay Vata. Tsy tafaverina tao Silo intsony izy io
Nandrahona ny hamono an’i Jeremia ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra
Nosamborin’ny vahoaka i Jeremia, satria naminany hoe horavana i Jerosalema sy ny tempoly
Niezaka nanompo an’i Jehovah foana i Jeremia, fa tsy nitsoaka
Narovan’i Jehovah i Jeremia
Be herim-po foana i Jeremia ka tsy nanary azy i Jehovah
Nampiasain’Andriamanitra hiaro an’i Jeremia i Ahikama, lehilahy be herim-po
Nanohana sy nampahery an’i Jeremia i Jehovah, ka afaka nitory hafatra tsy tian’olona izy nandritra ny 40 taona