FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb22 Martsa p. 7
  • Ampio ny Mpianatra Baiboly mba Hiala Amin’ny Fahazaran-dratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio ny Mpianatra Baiboly mba Hiala Amin’ny Fahazaran-dratsy
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampio ny Mpianatra Baiboly mba ho Naman’i Jehovah
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Raiso ny Fanampian’i Jehovah Amin’ny Alalan’ny Vavaka
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Mahaiza Mametraka Fanontaniana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Miezaha Hanohina ny Fo
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
mwb22 Martsa p. 7

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA | TE HO FALY KOKOA VE IANAO REHEFA MANOMPO?

Ampio ny Mpianatra Baiboly mba Hiala Amin’ny Fahazaran-dratsy

Izay madio fitondran-tena ihany no naman’i Jehovah. (1Pe 1:14-16) Rehefa miala amin’ny fahazaran-dratsy ilay mpianatra dia mety ho sambatra kokoa ny fianakaviany, ho salama kokoa izy, ary hanam-bola kokoa.

Hazavao tsara aminy ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena. Hazavao aminy hoe nahoana i Jehovah no nametraka an’ireny fitsipika ireny ary nahoana no mahasoa ny manaraka an’izany. Ampio izy hanova ny fomba fisainany, dia ho mora aminy ny hanao an’izay tian’i Jehovah. (Ef 4:22-24) Omeo toky izy hoe rehefa hampian’i Jehovah izy dia ho vitany ny hiala amin’ilay fahazaran-dratsiny. (Fi 4:13) Ampianaro azy hoe mila mitalaho ny fanampian’i Jehovah izy rehefa mafy be ny faniriany hanao ratsy. Ampio izy hamantatra hoe inona no toe-javatra mety hahatonga azy hanao ratsy ka tokony hialany. Ampirisiho izy hanao zavatra mahasoa azy fa tsy zavatra manimba azy. Ho faly ianao rehefa mahita hoe nampian’i Jehovah ilay mpianatra dia nahavita niova.

JEREO ILAY VIDEO HOE AMPIO NY OLONA AMPIANARINAO BAIBOLY MBA HIALA AMIN’NY FAHAZARAN-DRATSY. VALIO IRETO AVY EO:

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Ampio ny Olona Ampianarinao Baiboly mba Hiala Amin’ny Fahazaran-dratsy.” Miresaka amin’ny anti-panahy i Nita sy Sendra.

    Ahoana no nampisehoan’i Nita sy ny anti-panahy hoe natoky an’i Sendra ry zareo?

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Ampio ny Olona Ampianarinao Baiboly mba Hiala Amin’ny Fahazaran-dratsy.” Mampianatra an’i Sendra i Nita.

    Ahoana no mbola nanampian’i Nita an’i Sendra?

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Ampio ny Olona Ampianarinao Baiboly mba Hiala Amin’ny Fahazaran-dratsy.” Mivavaka i Sendra mba hampian’i Jehovah.

    Ahoana no nataon’i Sendra mba hahazoana fanampiana avy amin’i Jehovah?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara