FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 102
  • Fahotana ve ny Miloka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fahotana ve ny Miloka?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Natao ho An’ny Kristiana ve ny Filokana?
    Mifohaza!—1995
  • Nahoana no Ratsy ny Miloka?
    Mifohaza!—2002
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1981
  • Halaviro ny Fandriky ny Filokana
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 102
Mpiloka iray mijery ny tapakilany tamin’ny loteria, rehefa lazaina amin’ny tele ny nomerao mahazo

Fahotana ve ny Miloka?

Valiny ara-baiboly

Tsy miresaka ny tsipiriany momba ny filokana ny Baiboly. Hita amin’ireo toro lalana ao anatiny anefa fa fahotana izany amin’Andriamanitra.—Efesianina 5:17.a

  • Inona no mahatonga ny olona iray hiloka? Ny faniriana tsy mety afa-po. Halan’Andriamanitra anefa io toetra io. (1 Korintianina 6:9, 10; Efesianina 5:3, 5) Vola vokatry ny fahavoazan’ny hafa no antenain’ny mpiloka ho azo. Lazain’ny Baiboly anefa fa tsy mety ny mitsiriritra fananan’olona.—Eksodosy 20:17; Romanina 7:7; 13:9, 10.

  • Mety ho lasa tia vola ny olona iray miloka, na dia vola kely aza no ilokany. Manimba anefa ny fitiavam-bola.—1 Timoty 6:9, 10.

  • Matetika ny mpiloka no minomino foana na mino ny vintana. Amin’Andriamanitra anefa, dia mpanompo sampy ny olona mino ny vintana. Tsy afaka ny hanompo sampy sady hanompo an’Andriamanitra ny olona iray.—Isaia 65:11.

  • Milaza ny Baiboly hoe ilaina ny miasa mafy, fa tsy manantena ny hahazo zavatra fotsiny amin’izao nefa tsy misasatra. (Mpitoriteny 2:24; Efesianina 4:28) Afaka ‘mihinana izay nisasarany’ kosa ny olona iray manaraka ny torohevitry ny Baiboly.—2 Tesalonianina 3:10, 12.

  • Mety hahatonga ny olona ho tia mifaninana ny miloka. Milaza anefa ny Baiboly fa ratsy izany toe-tsaina izany.—Galatianina 5:26.

a Indray mandeha ihany ny Baiboly no miresaka momba ny filokana. Voalaza ao fa nanaovan’ny miaramila romanina antsapaka na “nilokany” ny fitafian’i Jesosy.—Matio 27:35; Jaona 19:23, 24, Fandikan-teny Protestanta.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara