FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/6 p. 18-20
  • Nahoana no Mifehy ny Fahatezeranao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Mifehy ny Fahatezeranao?
  • Mifohaza!—1997
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rehefa tezitra ny olombelona tsy lavorary
  • Ampamoahina ny Kristiana
  • Ratsy ve ny hoe Tezitra?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Fahatezerana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ratsy Foana ve ny hoe Tezitra?
    Mifohaza!—1994
  • Ahoana no anatrehana ny fahatezerana, ny anao sy ny an’ny hafa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/6 p. 18-20

Ny Fiheveran’ny Baiboly

Nahoana no Mifehy ny Fahatezeranao?

FIANDOHANA nanambara loza ilay izy. “Ankehitriny, izaho no lohan’itỳ tokantrano itỳ, ka tsy handeha hanao izay hahasanganehana ahy ianao amin’ny fahatongavana tara”, hoy i John, nikiakiaka tamin’i Ginger, vady vao avy nampakariny.a Nandritra ny 45 minitra mahery, dia nilelalela taminy izy sady nitaky ny tsy hihetsehany teo ambony saofà. Nanjary zavatra nampiavaka ny fanambadian’izy ireo ny fitenenan-dratsy. Nampalahelo fa nihanitombo ny fihetsika niharo fahatezerana nasehon’i John. Nanakaratoka varavarana izy, nandona ny latabatry ny lakozia tamin’ny totohondriny, ary nitondra fiarakodia tsy nisy fifehezan-tena sady nively ny familiana, ka nahatandindomin-doza ny ain’ny hafa.

Mampalahelo fa miverimberina matetika ny fisehoan-javatra toy io, araka ny tsy isalasalana fa fantatrao tsara. Voamarina ve ny fahatezeran’io lehilahy io, sa tsy nahafehy tena izy? Ratsy avokoa ve ny fahatezerana rehetra? Inona no atao hoe fahatezerana tsy voafehy? Rahoviana izy io no lasa lavitra loatra?

Mety ho voamarina ny fahatezerana voafehy. Ohatra, nirehitra tamin’ny tanànan’i Sodoma sy i Gomora fahiny izay ratsy fitondran-tena ny fahatezeran’Andriamanitra. (Genesisy 19:24). Nahoana? Satria ny mponin’ireo tanàna ireo dia nanaraka fanao feno herisetra sy mamoafady, araka ny fantatra tsara nanerana ilay faritra. Ohatra, rehefa nitsidika an’i Lota, ilay lehilahy marina, ireo iraka anjely, dia nisy andian-tovolahy niaraka tamin’ny lahiantitra, nitady hisavika ireo vahinin’i Lota. Tezitra ara-drariny noho ny fahalotoam-pitondran-tenany niharihary i Jehovah Andriamanitra. — Genesisy 18:20; 19:4, 5, 9.

Toy ny Rainy, dia nandia toe-javatra sasany izay nampahatezitra azy i Jesosy Kristy, lehilahy lavorary. Tokony ho foiben’ny fanompoam-pivavahana ho an’ny vahoaka voafidin’Andriamanitra ny tempoly tao Jerosalema. Izy io dia tokony ho “trano fivavahana”, izay ho azon’ny isam-batan’olona anolorana sorona sy fanatitra avy amin’ny tenany ho an’Andriamanitra, sy ho azo ampianarana azy ireo ao amin’ny lalan’Andriamanitra ary hahazoan’izy ireo famelan-keloka. Tao amin’ny tempoly dia afaka nifandray tamin’i Jehovah izy ireo, raha azo atao ny milaza izany. Nanova ny tempoly ho “trano fivarotana” sy ho “zohy fieren’ny jiolahy” kosa ireo mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy. (Matio 21:12, 13; Jaona 2:14-17). Ny tenan’izy ireo no nahazo tombony avy tamin’ny fivarotana an’ireo biby nampiasaina ho sorona. Raha ny tena marina, dia nanambaka ny andian’ondry izy ireo. Araka izany, dia voamarina tanteraka ilay Zanak’Andriamanitra rehefa nandroaka an’ireo mpanambaka ireo tany ivelan’ny tranon’ny Rainy. Mora takatra ny nahatonga an’i Jesosy ho tezitra!

Rehefa tezitra ny olombelona tsy lavorary

Mety ho tezitra mafy ara-drariny koa ny olombelona tsy lavorary indraindray. Hevero izay nitranga tamin’i Mosesy. Vao avy nafahana tamin’ny fomba nahagaga avy tany Egypta ny firenen’Isiraely. Nampiseho ny heriny tamin’ny fomba nanaitra teo amin’ireo andriamani-dison’i Egypta i Jehovah, tamin’ny famelezana ny Egyptiana tamin’ny loza folo. Avy eo izy dia nanokatra lalana mba handosiran’ireo Isiraelita, tamin’ny fanasarahana ny Ranomasina Mena. Taorian’izany, dia notarihina ho eo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay izy ireo, ary teo dia nalamina ho firenena iray. Nanao zavatra i Mosesy tamin’ny naha-mpanelanelana azy ary niakatra tao amin’ilay tendrombohitra mba handray ny lalàn’Andriamanitra. Niaraka tamin’ireo lalàna hafa rehetra, i Jehovah dia nanome an’i Mosesy an’ireo Didy Folo, nosoratan’ny “rantsan-tànan’Andriamanitra” teo amin’ireo vato fisaka izay nalain’ny tenan’Andriamanitra avy tamin’ilay tendrombohitra. Kanefa, rehefa nidina i Mosesy, inona no hitany? Niodina ny vahoaka ka nanompo sarin’ombilahy kely volamena! Haingana re izany raha fanadinoana! Herinandro vitsivitsy monja no lasa. Ara-drariny raha “nirehitra ny fahatezeran’i Mosesy”. Natontany ireo vato fisaka ary nopotipotehiny ilay sarin’ombilahy kely. — Eksodosy 31:18; 32:16, 19, 20.

Tatỳ aoriana kokoa, dia nisafoaka i Mosesy rehefa nitaraina momba ny tsy fisian-drano ny vahoaka. Sosotra izy ary nandritra ny fotoana fohy dia tsy nanana ny fahalemem-panahy na fahamoram-panahy nampahalaza azy. Izany dia nitarika ho amin’ny fahadisoana lehibe. Tsy nanome voninahitra an’i Jehovah, ilay Mpanome izay ilain’ny Isiraely, i Mosesy fa niteny tamin’ny fomba henjana tamin’ny vahoaka kosa ary nisarika ny saina ho amin’ny tenany sy i Arona rahalahiny. Araka izany, dia hitan’Andriamanitra fa nety ny hifehezana an’i Mosesy. Tsy navela hiditra tao amin’ny tany nampanantenaina izy. Taorian’iny fitrangan-javatra tao Meriba iny dia tsy nisy firesahana fanampiny intsony hoe nisafoaka i Mosesy. Toa nandray fianarana avy tamin’izany izy. — Nomery 20:1-12; Deoteronomia 34:4; Salamo 106:32, 33.

Araka izany, dia misy fahasamihafana eo amin’Andriamanitra sy ny olona. Afaka ‘mampionona ny fahatezerany’ i Jehovah ary voalazalaza ara-drariny ho “mahari-po” izy satria ny fitiavana, fa tsy ny fahatezerana, no toetrany ambony indrindra. Marina foana sy voamarina foana ary voafehy foana ny fahatezerany. (Eksodosy 34:6; Isaia 48:9; 1 Jaona 4:8). I Jesosy Kristy, lehilahy lavorary, dia afaka nifehy foana ny fanehoany ny fahatezerany; nolazalazaina ho “malemy fanahy” izy. (Matio 11:29). Etsy an-danin’izany, dia zava-tsarotra amin’ny olombelona tsy lavorary, na dia ny olona nanam-pinoana toa an’i Mosesy aza, ny nifehy ny fahatezeran’izy ireo.

Afa-tsy izany koa, ny olombelona amin’ny ankapobeny dia tsy maneho fiheverana ampy amin’izay ho vokany. Mety hisy vokany tsy maintsy zakaina ny tsy fifehezana ny fahatezeran’ny tena. Ohatra, inona no vokany miharihary raha misafoaka amin’ny vadiny ny lehilahy iray ka tonga hatramin’ny fanomezana totohondry ny rindrina ka nandoaka azy io? Simba ny fananana. Mety haratra ny tanany. Mihoatra noho izany anefa, inona no ho vokatry ny fipoahan’ny fahatezerany eo amin’ny fitiavana sy ny fanajan’ny vadiny azy? Mety ho azo amboarina ao anatin’ny andro vitsivitsy ny rindrina, ary mety ho sitrana ao anatin’ny herinandro vitsivitsy ny tanany, hila hafiriana anefa izy vao hahazo indray ny fatokiana sy ny fanajan’ny vadiny?

Raha ny marina, ao amin’ny Baiboly dia misy ohatra betsaka ny amin’ny olona tsy nifehy ny fahatezerany ka nizaka ny vokany. Andeha isika hijery vitsivitsy monja. Noroahina i Kaina taorian’ny namonoany an’i Abela rahalahiny. Nozonin’ny rainy i Simeona sy i Levy noho izy ireo namono ireo olon’i Sekema. Namely an’i Ozia tamin’ny habokana i Jehovah taorian’ny nisafoahan’izy io tamin’ireo mpisorona izay nanandrana nanitsy azy. Rehefa ‘nirehitra ny fahatezeran’i Jona’, dia nananatra mafy azy i Jehovah. Izy rehetra ireo dia tsy maintsy nampamoahina noho ny fahatezerany. — Genesisy 4:5, 8-16; 34:25-30; 49:5-7; 2 Tantara 26:19; Jona 4:1-11.

Ampamoahina ny Kristiana

Mitovy amin’izany koa, ny Kristiana amin’izao andro izao dia tsy maintsy hampamoahina noho ny zavatra ataony amin’Andriamanitra sy, amin’ny fetrany sasany, amin’ny mpiara-manompo aminy. Izany dia hita avy hatrany avy tamin’ny fampiasan’ny Baiboly ireo teny grika manondro ny fahatezerana. Ny iray amin’ireo teny roa ampiasaina matetika indrindra dia or·geʹ. Izy io amin’ny ankapobeny dia adika hoe “fahatezerana” ary mirakitra ilay hevitra hoe fahalalana na fanaovana fanahy iniana mihitsy aza, matetika noho ny fikendrena ny hamaly faty. Araka izany, i Paoly dia nampirisika mafy an’ireo Kristiana romana hoe: “Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo làlana ny fahatezerana [or·geʹ]; fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah’.” Toy izay hitahiry lonilony amin’ireo rahalahiny, dia nampirisihina kosa izy ireo “[handresy] amin’ny soa ny ratsy”. — Romana 12:19, 21.

Ilay hafa ampiasaina matetika indrindra dia thy·mosʹ. ‘Tany am-boalohany, ilay fototeny dia nanondro fifindrana maherin’ny rivotra, ny rano, ny tany, ny biby, na ny olombelona.’ Araka izany, ilay teny dia voalazalaza amin’ny fomba miovaova ho toy ny “fipoahan’ny fihetseham-po feno fankahalana”, “fipoahan’ny fahatezerana”, na “fahatezerana mahery, manakorontana ny firindran’ny saina, ary miteraka fikorontanana sy tsy filaminana ao amin’ny fianakaviana sy any ivelany”. Tahaka ny volkano iray mety hipoaka nefa tsy nandefa fampitandremana akory ary mamoaka lavenona mahamay, vato, ary vatomiempo, izay mety handratra sy hahavoan’ny kilema ary hamono, dia toy izany koa ny lehilahy na vehivavy iray tsy mahafehy ny fahatezerany. Ny endriky ny teny milaza maro amin’ny hoe thy·mosʹ dia ampiasaina ao amin’ny Galatiana 5:20 izay ametrahan’i Paoly ny “fiafonafonana” na “fipoahan’ny fahatezerana” (NW ) miaraka amin’ireo “asan’ny nofo” hafa (andininy 19) toy ny fijangajangana, ny fijejojejoana, ary ny fimamoana. Azo antoka fa ny fitondran-tenan’i John — voalazalaza terỳ am-piandohana — dia mampiseho tsara “fipoahan’ny fahatezerana”.

Noho izany, ahoana no tokony hiheveran’ny kongregasiona kristiana ny olona ao aminy izay manao zavatra amin-kerisetra amin’ny fomba miverimberina amin’ny olona na amin’ny fananan’ny hafa? Manimba sy mitarika mora foana ho amin’ny herisetra ny fahatezerana tsy voafehy. Nanana antony tsara àry i Jesosy raha nanambara hoe: ‘Izaho milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia [hampamoahina eo anatrehan’ny fitsarana, NW ]’. (Matio 5:21, 22). Ireo lehilahy manambady dia toroana hevitra hoe: “Tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy.” Ny olona iray “mora tezitra” dia tsy manana ny toetra ilaina mba ho mpiandraikitra ao amin’ny kongregasiona. Noho izany, ireo olona tsy mahafehy ny fahatezerany dia tsy tokony hoheverina ho ohatra ho an’ny kongregasiona. (Kolosiana 3:19: Titosy 1:7; 1 Timoty 2:8). Raha ny marina, aorian’ny nandinihana ny fihetsiky ny olona iray nanaiky ho resin’ny fipoahan’ny fahatezerana tsy voafehy, ny oha-pitondran-tenany ary ny halehiben’ny fahasimbana nentiny teo amin’ny fiainan’ny hafa, dia mety horoahina tsy ho ao amin’ny kongregasiona izy — vokany faran’izay ratsy tokoa izany.

Moa ve i John, noresahina tetsy aloha, efa mba nifehy ny fihetseham-pony? Nahavita nisakana ny tenany tsy hianjera haingana sy mora foana tao amin’ny loza ve izy? Mampalahelo fa ny kiakiakany dia niakatra ho fanosehana sy fandronjenana. Ny famelezana am-bava dia nitarika ho amin’ny famelezana ara-bakiteny maharary sy mandratra. Nitandrina i John mba tsy handratra ny faritra mora hita, ary niezaka nanafina ny fitondran-tenany. Tamin’ny farany anefa dia nandaka, nanisy totohondry, nisintom-bolo ary nanao zavatra ratsy kokoa izy. Nisaraka tamin’i John i Ginger ankehitriny.

Tsy voatery nitranga izany. Olona maro tao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany no afaka nifehy ny fahatezerany. Zava-dehibe toy inona moa, araka izany, ny fanahafana ny ohatra tanteraka navelan’i Jesosy Kristy. Tsy meloka ho nanapoaka fahatezerana tsy voafehy izy na dia indray mandeha aza. Voamarina foana ny fahatezerany; mbola tsy hoe tsy nahafehy fahatezerana mihitsy izy. Nanoro hevitra antsika rehetra tamim-pahendrena i Paoly hoe: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesiana 4:26). Noho ny fiekena araka ny antonona ny fetrantsika amin’ny maha-olombelona antsika, sy ny hoe hijinja izay afafintsika isika, dia manana antony tsara tokony hifehezana ny fahatezerana isika.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ireo anarana.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]

Mitady hamono an’i Davida i Saoly/The Doré Bible Illustrations/Dover Publications, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara