Ny fambolena sy ny fanondrahana — Ireo dingana ho amin’ny fanaovana mpianatra
1 “Izaho namboly, i Apolosy nanondraka, fa Andriamanitra tsy nitsahatra nampitombo azy.” (1 Kor. 3:6, MN). Nampahafantatra tamin’izany ireo dingana fototra telo eo amin’ny asa fanaovana mpianatr’i Kristy ny apostoly Paoly. Ireo dingana roa voalohany, ny fambolena sy ny fanondrahana, dia tombontsoa sady andraikitra miankina amin’ireo mpanompon’Andriamanitra nanolo-tena sy vita batisa.
2 Izany dia mitaky ny hitoriana ampahibemaso sy isan-trano, tsy ara-potoana, ary amin’ny fomba maro hafa. Izany koa dia mahafaoka ny fampianarana miandalana ireo olona mba hitandrina ireo zavatra rehetra nandidian’i Jesosy. (Mat. 28:19, 20). Tsy azo atao io dingana farany io raha tsy amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika ireo izay mampiseho fahalianana, amin’ny fampandraisana anjara azy ireo amin’ny fifanakalozan-kevitra ara-baiboly, ary amin’ny fitarihana fampianarana Baiboly miaraka aminy. Moa ve ianao miseho ho mpiara-miasa mahatoky, amin’ny fiaraha-miasa amin’i Jehovah amin’ny fambolena ireo voan’ny fahamarinana ary avy eo dia amin’ny fanolokoloana izany amin’ny alalan’ny fanondrahana sy ny fambolena ilaina? — 1 Kor. 3:9.
FANTARO IZAY FAHAFAHANA SY IZAY ILAINA
3 Teto Madagasikara, nandritra ny taom-piasana 1990, dia nizara boky sy bokikely efa ho 92 816 ary gazety tsy lavitra ny 181 723 isika! Nisy 18 685 koa ireo nanatrika ny Fahatsiarovana teto amintsika, nihoatra lavitra ny antsalan’ny isan’ny mpitory 3 505 tamin’iny taona iny. Ny fizarana zavatra vita an-tsoratra dia tapany lehibe mahaforona ny lafin’ny fambolena amin’ny asantsika. Ireo voan’ny fahamarinana nafafy tamin’izany dia manolotra fahafahana goavana ho amin’ny famokarana mpianatra vaovao, kanefa, moa ve isika, amin’ny maha-mpiara-miasa amin’Andriamanitra antsika, mahatsiaro ho voatosika mba hiverina hitsidika ireny olona ireny ka hanolokolo ny fahalianany amin’ny foto-dresaka ara-baiboly. Ireo mpitory tsotra eto Madagasikara izao dia manana fampianarana Baiboly 2,0 amin’ny antsalany. Matoky izahay fa hihatsara izany antsalan’isa izany raha manombana araka ny izy kokoa ny andraikitry ny tenany manokana ny mpitory tsirairay avy mba hihoatra ilay dingana voalohany, dia ny fambolena ireo voan’ny fahamarinana, ka hiezaka mba hitarika fampianarana Baiboly mandroso. Na dia misy aza mety tsy ho afaka ny hitarika fampianarana Baiboly iray na mahery, noho ny zavatra samihafa mametra ny fahafahany, dia tsara ny handinihan’ny tsirairay indray ny toerana misy azy manokana.
4 Mahaliana ny mahita izay mitranga any amin’ny toerana sasany. Misy kongregasiona manana faritany mamokatra ary manao tatitra fa manana fampianarana Baiboly iray na roa ny mpitory tsirairay amin’ny antsalany. Ny fitomboan’ny isan’ny mpianatra vaovao dia mifanentana tsara amin’ny isan’ny fampianarana Baiboly tarihina. Hita izany amin’ny fampitahana ny antsalan’ny isan’ny mpitory amin’ny isan’ny fampianarana Baiboly any amin’ny tany samihafa, araka ny tatitra hita ao amin’ny Annuaire 1991.
5 Tokony ho ny fitiavantsika ireo olona izay nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana torintsika no ho antony manosika antsika hitarika fampianarana Baiboly. Tsy maintsy manahaka amim-pahatsorana an’i Jehovah isika raha ny amin’ny fananana fiahiana feno fitiavana ny olona, ary hahatakatra fa ny famonjena azy ireo dia mifandray amin’ny fitomboana ara-panahy. (1 Pet. 2:2). Toy ny zavamaniry ara-bakiteny izay mila rano mba hitomboana, ny olona izay mampiseho fahalianana voalohany ny hafatra momba ilay Fanjakana mazàna dia tsy hanomboka hanatrika fivoriana raha tsy tarihina tsy tapaka ho amin’ny fandaminan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly any an-tokantranony, izy ireo.
6 Tafiditra amin’izany koa ny fankatoavana avy amin’ny tenantsika. Nilaza i Jesosy fa izay miandany amin’ny fahamarinana dia mihaino ny feony. (Jaona 18:37, MN). Nanome baiko ny mpianany mba hitory sy hampianatra izy, ary nataony ampy fitaovana izy ireo mba hanatontosa io asa io. Tamin’ny alalan’ny ohatra mahatalanjona nomeny tamin’ny naha-mpampianatra azy sy tamin’ny fiahiany lalina ny olona, i Jesosy dia namela ny môdely tokony harahintsika mba hanampiana ny hafa. (Lioka 6:40; Jaona 13:13; 14:12). Afaka mitarika ho amin’ny famonjena ny tenantsika sy izay ampianarintsika ireo ezaka ataontsika. — 1 Tim. 4:16.
FANAMPIANA MBA HANOMBOHANA FAMPIANARANA BAIBOLY
7 Mba hanaovana izay hahatanteraka ny asany, ny mpiasa tanana kinga iray dia mifidy ireo fitaovany avy amin’ny karazany samy hafa ananany. Amin’ny maha-mpampianatra antsika, dia manana zavatra vita an-tsoratra sesehena azontsika ampiasaina isika, anisan’izany ireo bokikely sy taratasy mivalona, izay natao mba ho fitaovana hanampy antsika hanohina ny fon’ny olona avy amin’ny fiaviana samy hafa sy manana fomba fihevitra samy hafa.
8 Misy mpitory nahita vokatra tsara tamin’ny fampiasana taratasy mivalona sy bokikely mba hanombohana fifanakalozan-kevitra ara-baiboly. Ohatra, ny taratasy mivalona hoe “Fiainam-piadanana ao amin’izao tontolo izao vaovao” dia misy andinin-teny samy hafa voalaza na voasoratra maherin’ny 20 mba hampisehoana io fanantenana mahatalanjona io. Azo ampiasaina mba hamelabelarana fifanakalozan-kevitra ara-baiboly mandrisika maromaro ireo andinin-teny ireo. Ireo bokikelintsika koa dia afaka mampahafantatra ny olona momba ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly sy mandrisika azy ireo hanao famotopotorana fanampiny.
9 Moa ve ianao mahafantatra olona izay tsy nahavita fianarana firy na tsy mahita tsara ny masony? Efa nanandrana nampiasa ilay bokikely “Mifalia amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay!” ve ianao mba hanorenana fifanakalozan-kevitra ara-baiboly mandroso miandalana amin’ny olona toy izany? Ny bokikely “Indro” dia fitaovana hafa tsara dia tsara izay mitarika amim-pahakingana ilay tompon-trano hianatra momba ireo fampanantenan’Andriamanitra ho an’ny hoavy ao amin’ireo fehintsoratra voalohany. Ary ny boky “Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany”, navoaka tamin’ny 1982, dia tena nandaitra tokoa teo amin’ny fanampiana ampahany lehibe tamin’ireo maherin’ny 1 700 000 natao batisa hatramin’izay.
AOKA ISIKA HANATONTOSA NY ANDRAIKITSIKA AMIN’IREO OLONA LIANA
10 Mety ho hitanao fa hahasoa ny hijerena ny Karatrao momba ny asan’ny mpitory (fitahirizan’ny kongregasiona) ary hanasiana fiheverana ny amin’ny isan’ny boky, bokikely (kely sy lehibe velarana) ary gazety napetrakao nandritra ireo 12 volana farany. Moa ve ny fametrahana azy ireo ihany no zava-nokendrenao? Sa nihoatra ny dingana natao hambolena ianao? Firy tamin’ireo izay nampiseho fahalianana ampy ka naka sasany tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakantsika no notsidihinao indray tsy nisy hataka andro? Moa ve ianao niverina tany amin’izy ireo mba hahitana raha nitsiry ilay voa nambolenao? Nanolokolo izany tamin’ny alalan’ny fanondrahana ilaina ve ianao ary avy eo dia nivavaka tamin’i Jehovah mba hampitombo azy? — Ampitahao Asan’ny apostoly 16:14 sy 2 Tesaloniana 3:1.
11 Angamba ianao tsy manao fiverenana mitsidika na mitarika fampianarana Baiboly satria mihevitra ny tenanao ho tsy ampy fahaizana. Azo inoana fa avy amin’ny fihetsikao izany fa tsy avy amin’ny tsy fanananao fahaizana loatra. Tsy nandefa ny olony hanao asa iray i Jehovah raha tsy nanome azy fitaovana sy fampiofanana ampy. Amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany masina, dia manomana antsika ho “amin’ny asa tsara rehetra” izy. (2 Tim. 3:16, 17; 2 Kor. 3:5, 6, MN). Amin’ny alalan’ny fanahy masina, ny pejy vita pirinty ary ny fampianarana am-bava sy fampisehoana avy eny amin’ny lampihazo, ary koa ny ohatr’ireo mpanompo mahafoy tena vonona ny hanampy antsika, dia manome antsika izay ilaintsika Izy. Tsy mila ny fampianarana ambonin’izao tontolo izao isika mba hitarihana fampianarana Baiboly. Mila ny manaiky ny fampianarana ara-panahy ambony omena antsika amin’ny alalan’ny fandaminan’i Jehovah kosa isika. — Ampitahao Asan’ny apostoly 4:13.
12 Ilaina indrindra ny fampiharan’ny tenantsika manokana izay omen’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana, ny Sekolin’ny fanompoana teokratika, ny fivoriana momba ny asa ary ireo fomba hafa manome fampianarana. Nilaza tsy tamim-pihambahambana toy izao tamin’ireo Kristiana hebreo ny apostoly Paoly: “Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza hianareo noho ny fahelan’ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray.” (Heb. 5:12). Antenaina amin’ny olona iray manao asa iray mandritra ny taona maro ny hahazoany fahakingana eo amin’ny fampiasana ireo fitaovany. Hiharihary ny fandrosoantsika eo am-pianarana ny fomba fitarihana fifanakalozan-kevitra ara-baiboly rehefa mampiseho fahalianana amim-pahatsorana sy manao ezaka amim-pitandremana isika. — Ohab. 12:24; 22:29.
13 Ny fiverenana hitsidika ireo izay nampiseho fahalianana ny hafatra momba ilay Fanjakana sy ny fiaraha-mifanakalo hevitra aminy momba ny foto-kevitra ara-baiboly dia mitaky fotoana sy fiezahana. Nefa tokony hankasitrahantsika fa fanehoana ny fitiavan’i Jehovah sy ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory ny maha-ao anatin’ny fahamarinana antsika. Izany dia naseho tamin’ny alalan’ny olona iray izay nandany ora maro nampianatra antsika ny fahamarinana tamim-paharetana. Toy izany koa, ny fitiavana dia tokony hanery antsika mba haka ny fotoana ilaina avy amin’ireo ampiasaina amin’ny asa hafa sy hanokana izany ho an’ilay asa lehibe kokoa, dia ny fanaovana mpianatra. — 2 Kor. 5:14, 15; Efes. 5:15, 16, MN.
14 Kongregasiona maro no nanaraka ny fanoloran-kevitry ny Fikambanana hanao fandaharana ho an’ny fanaovana fanambarana ny hariva. Ireo ora amin’ny fiandohan’ny takariva mazàna dia fotoana tsara hiverenana mitsidika ireo izay nampiseho fahalianana. Ilaina indrindra ny manana fandraisana an-tsoratra isan-trano, izay manome fanazavana mety momba ireo olona nanaovana fanambarana, mba hanaovana fiverenana mitsidika mandaitra sy hanombohana fifanakalozan-kevitra ara-baiboly. Aza asisika fotsiny ao anaty boky na Baiboly ireny fandraisana an-tsoratra ireny ka hohadinoina avy eo. Ny tsy fitadidiana hanao fiverenana mitsidika raha tsy herinandro maromaro atỳ aoriana, rehefa sendra eny amin’ny manodidina iny ianao, dia mamela ilay olona hahazo ny fitsidihan’ireo mpiasan’i Satana, izay ravoravo mandrombaka izay mety ho nafafy tao am-pon’ilay olona. (Lioka 8:12). Hanao izay tsy hahavanona ireo tetik’adin’i Satana ve ianao amin’ny fiverenana tsy misy hataka andro? Raha tsapanao ny andraikitrao ary ankasitrahanao ny tombontsoanao, dia hiverina tsy misy hataka andro ianao, raha afaka koa. — 1 Kor. 9:16, 23.
NY FOMBA HANOMBOHANA FAMPIANARANA BAIBOLY
15 Tsy fanaovan-javatra sarotra sy manahirana akory ny fanombohana fampianarana Baiboly. Misy olona mety hanaiky avy hatrany ny fanoloranao mivantana hiara-mianatra Baiboly aminy ao an-tokantranony. Kanefa aleon’ny mpitory maro tsy manonona ny hoe fampianarana, fa mitarika ilay fifanakalozan-kevitra ara-baiboly ho amin’izany zava-kendrena izany fotsiny izy ireo.
16 Ilaina ny fitiavana ny olona sy ny faniriana amim-pahatsorana ny hanampy azy ireo. Ilaina indrindra koa ny fiomanana tsara. Tafiditra amin’izany ny fijerena indray ireo fandraisana an-tsoratra nety ho nataonao momba izay efa noresahinao tamin’ilay olona sy ny manapa-kevitra ny amin’izay fomba hanombohanao resaka mba hanohizana ilay fifanakalozan-kevitra ara-baiboly. Ataovy azo ao an-tsaina ny ho fizotran’ireo fanazavanao amin’ny ankapobeny. Hifidy andinin-teny fanampiny vitsivitsy momba ilay foto-kevitra noresahina teo aloha ve ianao? Sa hanokatra ilay taratasy mivalona na boky noraisin’ilay olona ianao ka hiara-mandinika aminy sasantsasany amin’ireo fehintsoratra voalohany? Azonao atao ny mifidy foto-kevitra iray izay nampisehoany fahalianana. Amin’ny voalohany, dia makà 10 na 15 minitra monja. Azo ampitomboina miandalana ny fotoana, arakaraka ny halalin’ny fahalianana aseho. Tokony hanampy anao hanavaka ny fomba hitarihanao ilay resaka sy ny fotoana hijanonanao ny fahaizanao mitsara zavatra.
17 Nisy fanoloran-kevitra mahasoa tondraka nomena nandritra ireo taona lasa mba hanampiana anao hanao dingana miandalana ho amin’ny fanaovana mpianatra. Anisan’ny fitohitohizan-dahatsoratra iray dia nisy lahatsoratra nahasoa nitondra ny lohateny hoe “Aoka ianao hanohina ny fo amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly mahomby” sy hoe “Tariho ho amin’ny fandaminan’i Jehovah ireo olona mianatra ny Baiboly” tao amin’ny Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana, volana Oktobra sy Novambra 1990. Ny Fanompoantsika ilay Fanjakana, volana May 1987, dia nisy ny lahatsoratra hoe “Ahoana no hanomanana sy hitarihana fampianarana Baiboly”. Ny fijerena vetivety ny Index eo ambanin’ny hoe “Etudes bibliques” (Fampianarana Baiboly) dia hitondra anao ho amin’ny fanazavana mahasoa fanampiny.
18 Ho ohatra ny amin’ny fomba itarihana fampianarana, dia ampifantohy amin’izay atao any amin’ny fianarana ny bokin’ny kongregasiona ny sainao. Mazava ho azy fa any amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano, dia tsy ferana mialoha ny habetsahan’ny zavatra hianarana. Koa tokony hampifanaraka ny hafainganan’ny fandinihanao ilay zavatra ianarana amin’ny fahaizan’ilay mpianatra sy izay ilainy àry ianao. Fanampin’izany, ny mpiandraikitra ny asa sy ny mpitory za-draharaha hafa ary ireo mpitory maharitra dia ho faly tokoa ny hiaraka aminao sy hanome fanoloran-kevitra azo ampiharina ny amin’ny fomba fitarihana fampianarana Baiboly mandaitra.
19 Raha takatsika fa mandray ny anjara lehibe indrindra eo amin’ny fiezahana ataontsika mba hanampiana olona i Jehovah, dia tokony hivavaka isika, tsy hoe mba hahitana olona hiaraha-mianatra fotsiny, fa momba ny fandrosoan’ireo olona liana hitantsika koa. Ny fihetsitsika sy ny fihetseham-pontsika dia tokony ho sahala amin’ny an’ny apostoly Paoly rehefa nanao fanambarana toy izao tamin’i Agripa Mpanjaka izy: “Mangataka amin’Andriamanitra aho, fa na amin’ny mora, na amin’ny sarotra [na afaka fotoana fohy, na afaka ela be, MN] tsy hianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko.” (Asan’ny apostoly 26:29). Nirin’i Paoly ho tonga tena mpianatr’i Kristy ireo nihaino azy, na nitaky fotoana fohy na lava kokoa ny fanampiana azy ireo manokana.
20 Mahatonga antsika ho afaka “hanao fanambarana feno momba ny vaovao tsaran’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory” ny fitarihana fampianarana Baiboly. (Asan’ny apostoly 20:24, MN). Olona tsy hita isa no mbola mety hampialana amin’ny maizina ho amin’ny mazava, ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra. (Asan’ny apostoly 26:18). Ianao, izay mpanompon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa, dia tsy maintsy manao ny anjaranao amin’ny fambolena ireo voan’ny fahamarinana ary avy eo dia amin’ny fanolokoloana izany amin’ny fanondrahana ilaina amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra ara-baiboly sy ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Amin’izany dia hahatsapa fifaliana lehibe ianao hahita olona tonga mpianatra sy hiaraka aminao hanampy olon-kafa ihany koa ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy.