Manaova fiverenana mitsidika mandaitra
1 Ny fanaovana fiverenana mitsidika dia tapany lehibe amin’ny fanompoantsika amin’ny maha-“mpiara-miasa amin’Andriamanitra” antsika. (1 Kor. 3:6-9). Tsy tokony hanahy ny amin’ny fihetsik’ilay tompon-trano isika satria olona efa naneho fahalianana amin’ny fahamarinana no tsidihina. Ny fiomanana tsara avy amintsika dia ho hita taratra amin’ny fiheverana manokana amim-pahatsorana hasehontsika amin’ilay olona hotsidihina, raha mbola eo amim-piresahana foto-kevitra manintona araka ny Baiboly aminy isika.
2 Farito tsara izay horesahinao; milazà fanontaniana amim-pahaiza-mandanjalanja.
Avy amin’ny fanamarihana an-tsoratra nataonao tamin’ny fitsidihana voalohany, dia afaka manontany ianao hoe:
◼ “Moa ve ianao mbola mieritreritra ireo fampanantenan’Andriamanitra rehefa hanjaka amin’ny tany ny fahamarinana?”
Ny fanontaniana hafa iray koa angamba dia hoe:
◼ “Moa ve misy heviny kokoa ny vavaka ataonao ny amin’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, hatramin’ny dinidinika araka ny Baiboly nataontsika tamin’ny herinandro lasa teo?”
Ny fisehoan’ny endrika sariaka sy ny fomba fitenenana dia tafiditra amin’ny fanehoana fiheverana amim-pahatsorana, rehefa milaza fanontaniana toy ireo.
3 Aza maimaika; Henoy izay lazain’ilay tompon-trano. Raha mihaino izay lazain’ilay tompon-trano isika ka mieritreritra tsara alohan’ny hamaliana, dia hiharihary ny fiheverantsika azy manokana amim-pahatsorana. Miorina amin’izay lazainy, dia afaka manolotra hevitra iray araka ny Baiboly ianao, mifandray amin’ny fitsidihana voalohany nataonao. Miomàna mba hampianatra zavatra an’ilay tompon-trano isaky ny mitsidika azy ianao. Raha toa ka mitranga ny foto-kevitra tsy nampoizina, dia ampiasao izany fahafahana izany mba hamoahana ny boky Fanjohian-kevitra mba hahitana ny fanazavana ilaina.
4 Raha nametraka “Ny Tilikambo Fiambenana” 1 Febroary 1992 ianao, dia afaka milaza hoe:
◼ “Tamin’ny farany dia niresaka momba ny faharetana nasehon’Andriamanitra isika. Navelan’Andriamanitra ny olombelona hanandrana ny endri-pitondrana rehetra azony nosaintsainina. Hatramin’izay dia fiovana maro no natao hatrany. Nefa moa ve misy amin’ireny fiovana rehetra ireny mba tena nanome fahafaham-po amin’izay ilain’ny olona, na afaka miantoka fiadanana maharitra? [Avelao izy hamaly]. Mariho ny fomba nampianaran’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hivavaka ho an’ny fitondram-panjakana izay afaka tena hanome fanafodiny ho an’ireo zava-manahirana lehibe atrehintsika ankehitriny. [Vakio Matio 6:9, 10]. Inona no heverinao fa hotanterahin’ny Fanjakan’Andriamanitra? [Avelao izy hanazava]. Ny fanazavana omen’ny Baiboly koa dia mahaliana.” Avy eo dia vakio ny Daniela 2:44. Mety ho tianao ny hampiasa ny sary ao amin’ireo pejy faha-12 sy faha-13 amin’ny boky Hiaina mandrakizay mba hampisehoana ny karazana toe-piainana andrasana eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
5 Raha nametraka ny “Mifohaza!” N°2 1992 ianao, dia afaka milaza hoe:
◼ “Rehefa nitsidika anao tamin’ny farany teo aho, dia niresaka ny amin’ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany isika. Heverinao ve fa tompon’andraikitra ny amin’ny zava-manahirana mianjady amin’ny tany momba ny tsy fananana asa Andriamanitra?” [Avelao izy hamaly]. Mariho ity torohevitra feno fahendrena hita ao amin’ny Ohabolana 21:5 ity. Avy eo dia vakio ny fehintsoratra faha-8 eo ambanin’ny lohateny hoe: “Mamoròna tetibola ho anao.” Avy eo, dia afaka mankeo amin’ny pejy faha-15 amin’ny bokikely “Indro!” ianao sy mamaky na mamintina ny fehintsoratra telo ao amin’io pejy io, ary milaza fanontaniana mifandray amin’ny fehintsoratra tsirairay avy.
6 Aoka isika hanohy hampiseho fiheverana manokana sy hitadidy ao an-tsaina foto-dresaka maro manintona mba hodinihina, ka izany dia hahatonga ny fiverenana mitsidika ataontsika hahomby.