FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/94 p. 4
  • Fiverenana mba Hampitombo ny Fankasitrahana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiverenana mba Hampitombo ny Fankasitrahana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Mitovitovy Aminy
  • Kolokoloy ny Fahalianana Amin’ny Fanaovana Fiverenana Mitsidika Mandaitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Ampio Ireo Olona Tahaka ny Ondry Hanorina eo Ambonin’ny Fototra Mafy Orina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Miverena Amim-pifaliana Indray mba Hanampy Ireo Olona Liana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
km 1/94 p. 4

Fiverenana mba Hampitombo ny Fankasitrahana

1 Ireo fiverenana mitsidika misy heviny dia manaitra sady manatsara tsikelikely ny fitomboan’ilay tompon-trano ho tonga mpino. Inona avy ireo fanoloran-kevitra sasantsasany azo ampiharina tokony hotadidina ao an-tsaina rehefa miverina any amin’ireo izay nampiseho fahalianana?

2 Voalohany aloha, dia miomàna tsara. Izany dia manomboka eo amin’ny fitsidihana voalohany. Amin’ny ahoana? Amin’ny fitanana an-tsoratra ny fahalianana naseho amin’ny fomba marina. Raiso an-tsoratra ny anaran’ilay tompon-trano, ny foto-kevitra nodinihina, ny valin-teniny, ary izay mety ho zavatra napetraka. Avy eo, dia diniho indray ny fandraisanao an-tsoratra isan-trano alohan’ny hiverenanao, ary saintsaino amim-bavaka izay holazainao.

3 Izao dia vonona ianao. Inona no azonao lazaina? Raha nilaza fanontaniana iray tamin’ilay tompon-trano ianao talohan’ny nandaozanao azy tamin’ny fitsidihana voalohany, dia afaka manorina eo ambonin’izany foto-kevitra izany àry ianao rehefa miverina. Ohatra, raha nifantoka tamin’ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny fitsidihanao voalohany, dia ho azonao atao ny hilaza ilay fanontaniana hoe “Nahoana Andriamanitra no mamela ny faharatsiana hisy?”

Rehefa miverina ianao, aorian’ny fampahafantarana ny tenanao, dia ho azonao atao ny hilaza hoe:

◼ “Fony isika niresaka farany, dia nandinika isika ny antony amelan’ny Andriamanitra fitiavana iray ny faharatsiana ho be dia be toy izao ankehitriny. Mbola nihevitra izany fanontaniana izany ve ianao? [Avelao izy hamaly.] Heverinao ve fa miahy marina ny olombelona Andriamanitra? [Avelao izy hamaly.] Diniho izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny Jaona 3:16.” Aorian’ny famakiana ilay andininy, dia ho azonao atao ny hanintona ny sainy ho amin’ny tapany voafaritra tsara amin’ny toko faha-12 amin’ny boky Vaovao Tsara, na ny toko faha-5 amin’ny boky “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”, na ny toko faha-8 amin’ny boky Fahamarinana, izay manazava ireo antony andeferan’Andriamanitra eo anoloan’ny faharatsiana amin’izao andro izao.

4 Ny fanontaniana hafa iray mampisaintsaina ho azonao lazaina amin’ny fitsidihanao voalohany dia ny hoe: “Raha fikasan’Andriamanitra ny hahaveloman’ny olona mandrakizay, nahoana ny olona no mihantitra sy maty?” Rehefa miverina ianao, dia ho azonao atao ny hampiseho aminy ny valin-tenin’ny Baiboly amin’io fanontaniana io, araka ny hita ao amin’ny Romana 5:12. Aorian’ny famakiana ilay andinin-teny, dia jereo ny fehintsoratra faha-4 sy faha-5 eo amin’ny pejy faha-77 amin’ny boky Vaovao Tsara, izay mandinika ny antony fototra mahatonga ny olona hihantitra sy ho faty.

5 Raha niresaka momba ny fivavahana ianao tamin’ny fitsidihanao voalohany ka nametraka ny boky Vaovao Tsara Hahatonga Anao ho Sambatra, ny fanontaniana tsara iray ho azonao anorenana ny fiverenanao mitsidika dia mety hoe: “Ahoana no ahafantarana ny fivavahana ankasitrahan’Andriamanitra?” Rehefa miverina ianao dia ho azonao atao ny miresaka momba ny hevitra voafaritra tsara ao amin’ny toko faha-14 amin’io boky io.

6 Misy fitandremana tokony haseho eto. Tandremo ireo fanontaniana ataonao rehefa miverina. Ny fanontaniana toy ny hoe “Novakinao ve ilay boky napetrako?” na hoe “Tadidinao ve aho?” na koa hoe “Tadidinao ve izay noresahintsika farany fony aho tatỳ aminao?” dia mahasakodiavatra ny tompon-trano. Tsy mitondra voka-tsoa mazàna ny fanontaniana toy ireny. Etsy an-kilany, aoka ianao hiseho ho sakaiza sy hahay hilefitra ary hilaza hevitra fohy. Ireo toetra ireo dia hanatsara ny hafatra.

7 Ireny fomba fanatona ireny sy ny hafa dia azo ampiasaina mba hambolena fankasitrahana ao am-pon’ireo olona liana. Nahoana raha mametra ho zava-kendrena manokana ny hanao fiverenana mitsidika iray isan-kerinandro fara fahakeliny? Ampiasao ireo fanoloran-kevitra azo ampiharina naseho tetsy ambony, ary manatòna an’ireo mpitory za-draharaha izay hanampy anao. Hitombo ny fifalianao rehefa mampitombo ny fahalianana hita teo am-boalohany ianao, amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika mandaitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara