Ampianarin’i Jehovah Isika
1 Eo ambany fitarihan-dalan’Andriamanitra, dia misy fandaharam-pampianarana iraisam-pirenena tarihina ankehitriny any amin’ny tany 233. Tsy misy na inona na inona atolotr’ity tontolo ity azo ampitahaina amin’izany. I Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe antsika, dia sady mampianatra antsika ny fomba hahitana soa dieny izao no mampianatra antsika koa ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay. — Isaia 30:20; 48:17.
2 Sekoly ahazoana fampianarana araka an’Andriamanitra: Diniho ireo sekoly izay tarihina amin’izao fotoana izao, ho tombontsoan’ny vahoakan’i Jehovah. Ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, izay atao isan-kerinandro any amin’ny kôngregasiôna 87 000 eo ho eo, dia mampiofana mpitorin’ilay Fanjakana an-tapitrisany maro mba hahita vokatra eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Efa nisoratra anarana ho amin’izy io ve ianao? Anisan’ireo an’arivony maro izay nanatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, maharitra tapa-bolana, ve ianao? Angamba hahatonga olona maro kokoa hanao ny asan’ny mpisava lalana sy hahafeno fepetra hanatrika io sekoly io ny fihenan’ny ora takina amin’ny mpisava lalana maharitra. Ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana maharitra roa volana ankehitriny dia tarihina amin’ny fiteny lehibe indrindra maneran-tany, ka manomana loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana tsy manambady mba hiantsoroka andraikitra teôkratika lehibe kokoa. Indraindray, ny loholona sy ny mpanampy amin’ny fanompoana rehetra dia mahazo fampianarana natao manokana ho azy ireo ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana.
3 Ireo trano naorina any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower any Patterson, any New York, dia ampiasaina mba hanaovana ny sekoly manokana telo izay manome fampiofanana teôkratika ambony. Ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, maharitra dimy volana, dia manomana ireo mpitory hanao asa misionera any amin’ny tany hafa. Ireo mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana avy amin’ny faritra maneran-tany, dia manatrika fianarana iray maharitra roa volana momba ny fandaminana ny sampana. Tamin’ny May 1999, dia nanomboka ny fianarana vaovao maharitra roa volana natao ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany nisy mpianatra 48 avy tany Etazonia sy Kanada. Amin’ny farany, ny mpanompon’i Jehovah rehetra dia mandray soa faran’izay tsara avy amin’ny fampiofanana omen’i Jehovah amin’ny alalan’ireny sekoly isan-karazany ireny.
4 Ampianarina noho ny zava-kendrena inona? Nilaza toy izao ny mpikambana iray ao amin’ny Fitambara-mpitantana: “Ny fandaharam-pampianarantsika amin’izao fotoana izao dia novolavolaina mba hahatratraran’ny vahoakan’i Jehovah rehetra hatraiza hatraiza ilay toe-pahamatorana tsara dia tsara voalaza ao amin’ny Ohabolana 1:1-4.” Enga anie i Jehovah hanohy hanome ny tsirairay amintsika ny “lelan’ny efa nampianarina”. — Isaia 50:4, f.a.p.