“Mahery ny Tenin’Andriamanitra”
1 “Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly (Heb. 4:12) Inona no tiany hambara tamin’izany? Mety hisy heriny lehibe amin’ny olona ny teny na hafatr’Andriamanitra hita ao amin’ny Baiboly. Mirakitra fahendrena izay manan-kery hanatsara kokoa ny fiainan’ny olona iray ny Baiboly. Ny fampiononana sy fanantenana omeny dia mahatonga ny olombelona hanatona an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanome aina. Afaka misarika olona tso-po ho amin’ny lalan’ny fiainana mandrakizay ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Tsy maintsy mampiasa ny Baiboly anefa isika rehefa mitory, mba hahazoana izany vokatra rehetra izany.
2 Mamakia andinin-teny raha vao afaka manao izany: Hita fa mahalana ny ankamaroan’ny mpitory no mampiasa ny Baiboly rehefa eny am-baravarana. Marina ve izany raha ny aminao? Tsy dia manam-potoana firy hiresahana lava mantsy ny ankamaroan’ny olona, ka angamba izany no nahatonga anao ho zatra manolotra boky sy gazety na milaza amin’ny fomba fiteninao fotsiny andinin-teny iray. Ampirisihinay ny mpitory rehetra mba hiezaka mafy hamaky, fara fahakeliny, andinin-teny iray avy ao amin’ny Baiboly, rehefa mampiseho ny vaovao tsara. Ho hitan’ilay olona amin’izay fa avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra marina tokoa ny hafatra entintsika.
3 Vitsy ny olona zatra mamaky ny Baiboly, kanefa, mbola hajaina ihany izy io amin’ny ankapobeny. Na ny olona be atao aza dia matetika hahafoy minitra vitsivitsy mba hihainoana hafatra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra mivantana. Mety hisy heriny tsara amin’ny mpihaino ny tenin’i Jehovah raha misy andinin-teny mifanitsy tsara iray, vakina amin-katsaram-panahy sady arahina fanazavana fohy. Ahoana anefa no azonao ampifandraisana ny fampidiran-dresakao sy ny famakiana andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly?
4 Andramo izao rehefa mizara gazety: Mampiasa andinin-teny ny mpiandraikitra mpitety faritany iray rehefa mizara gazety, ary mandaitra ilay izy. Mitondra Baiboly kely ao anaty paosiny izy, ka rehefa avy nampiseho gazety sy nanasongadina lahatsoratra iray dia manokatra tsy amim-pisalasalana ny Baiboly, ary mamaky andinin-teny mifandray amin’ilay lahatsoratra. Mety ho azo atao izany amin’ny fanontaniana fotsiny hoe: “Ahoana ny eritreritrao momba ity fampanantenana mampahery ity?” dia vakio ilay andinin-teny nofidinao.
5 Ataovy ho tanjonao ny hiara-mamaky andinin-teny iray na roa amin’izay rehetra mihaino. Hamela olona maro kokoa hanatona an’Andriamanitra ny hery mitaona ananan’ny Baiboly.—Jaona 6:44.