Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 14 May
6 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
9 min: Inona Avy Ireo Zavatra Kasainao Hatao Amin’ireo Volana ho Avy? Miara-midinika amin’ny fianakaviany ny amin’izay zavatra kasainy hatao amin’ny fialan-tsasatra ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana iray. Miresaka momba ny hanatrehana ny fandaharana rehetra any amin’ny fivoriamben’ny distrika, sy ny hanaovana ny asan’ny mpisava lalana mpanampy, ary angamba ny hanaovana vakansy sy hialana voly kely, izy ireo. Manaiky izy rehetra fa tsy hanao tsirambina ny asa kristianina, toy ny fanatrehana fivoriana, sy ny fanompoana, ary ny fianaram-pianakaviana, na dia handeha any an-toeran-kafa aza. Hataony azo antoka fa haverina haingana any amin’ny mpitan-tsoratra ny tatitra momba ny fanompoana, na ao an-trano izy ireo na mandeha any an-toeran-kafa.
14 min: “Fotoam-pifaliana ny Fivoriambe!” Lahateny ataon’ny anti-panahy iray. Lazao ireo soa azon’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny fivoriambe tamin’ny andron’ny Baiboly sy amin’izao andro izao. Manatanjaka ny fiarahana mandritra ireny fotoana ireny, ary iankinan’ny aina ny sakafo ara-panahy raisina any. Hamafiso fa zava-dehibe ny hanatrehan’ny tsirairay ny telo andro feno amin’ny fivoriamben’ny distrika.
16 min: “Voalamina ‘Amin’ny Fahamendrehana sy ny Filaminana’ ”.a Lazao ny sasany amin’ireo fandaharana lehibe tsy maintsy atao mba handaminana fivoriambe iray. Antitrantero fa zava-dehibe ny hanarahana amin’ny fomba feno ireo toromarika nomena ho tombontsoantsika. Resaho ireo fomba ahafahantsika rehetra mampiseho fahalalam-pomba sy misoroka zava-manahirana.
Herinandron’ny 21 May
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
17 min: “Mihainoa, ka Mandraisa Fampianarana Bebe Kokoa”. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Hazavao hoe nahoana ny fampianarana omena any amin’ny fivoriambe no sakafo ara-panahy iankinan’ny aina sy ilaintsika. Asio firesahana ny fotoana sy ny ezaka lehibe ilaina hanatanterahana io fandaharana io. Asao ny mpanatrika hiresaka ny amin’izay azon’ny tsirairay atao mba handraisan’ny tenany sy ny hafa, soa be indrindra. Hamafiso ny antony tokony hipetrahantsika rehetra eny amin’ny toerantsika rehefa manomboka ny fandaharana tsirairay.
18 min: “Ataovy Izay Tsara, dia Hoderaina Ianao!”b Hazavao hoe nahoana no mandinika antsika ny olona rehefa manatrika fivoriambe isika. Mahatonga ny olona hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana ny teny mankasitraka ataon’ny olona eny ivelany, ary mahatonga azy tsy hihaino kosa ny teny manakiana. Miresaha zavatra voafaritra tsara tokony hataontsika mba hampisehoana fa manana toetra kristianina, toy ny fiahiana ny hafa amim-pahatsorana, isika.
Herinandron’ny 28 May
13 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana May. Valin’ny Fanontanianareo.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
17 min: “Mahery ny Tenin’Andriamanitra”.c Asio fampisehoana roa voaomana tsara, manasongadina ny fomba isarihana ny saina ho amin’ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fomba fampiseho fohy.
Herinandron’ny 4 Jona
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy zavatra hita teny am-pitoriana.
15 min: “Mandraisa Anjara Amin’ny Fomba Feno Amin’ny Fijinjana”.d Rehefa mandinika ny fehintsoratra 4, dia ampidiro ilay ohatra ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1996, pejy 18, fehintsoratra 10, izay mampiseho ny nataon’ny sasany mba hanitarana ny fanompoany.
18 min: “Efa Niasana Imbetsaka Ange ny Faritaninay E!”e Hataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. (Raha tsy iasana matetika ny faritanin’ny kongregasionanareo, dia ilay lahatsoratra hoe “Gazety Manambara Ilay Fanjakana”, ao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aprily 1998 no ampiasao eto.) Resaho izay azo atao eo an-toerana mba hamitana tsara kokoa ny faritany. Resaho ireo fitantarana ao amin’ny Diary 1997, pejy 204, sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1996, pejy 26. Hamafiso fa zava-dehibe ny hihazonana firaiketana an-tsoratra tsara, sy hiverenana any amin’ireo tsy tratra an-trano, ary ny hanaovana fiverenana mitsidika haingana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
e Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.