FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/01 p. 6
  • Ataovy Izay Tsara, dia Hoderaina Ianao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ataovy Izay Tsara, dia Hoderaina Ianao!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • “Aoka ho Tsara Foana ny Fitondran-tenanareo eo amin’izao Tontolo Izao”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Fivoriamben’ny Distrika 1995 “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Fitondran-tena Manome Voninahitra An’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Hampiharihary ny Fahamarinana ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 5/01 p. 6

Ataovy Izay Tsara, dia Hoderaina Ianao!

1 “Mbola tsy nahita olona nilamina toy izany aho!” “Tena mahafinaritra rehefa eo ry zareo.” Mitovy amin’ireo ny teny fiderana maro nataon’ny olona momba antsika, taorian’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny herintaona. Asongadin’izany fa tsara laza ny fandaminana misy antsika. (Ohab. 27:2; 1 Kor. 4:9) I Jehovah no mahazo izany fiderana izany amin’ny farany. (Matio 5:16) Afaka hidera tsara an’Andriamanitra indray isika amin’ity taona ity, any amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra”.

2 Ampahatsiahivina antsika isan-taona ny fitondran-tena mety any amin’ny fivoriambe, ary mahasoa izany. Nahoana? Satria miharatsy ny fihetsika sy ny fitafy ary ny fitondran-tenan’ny olona eo amin’ity tontolo ity, nefa tsy hanahaka azy ireo mihitsy isika. Tsy tiantsika ho simba ny laza tsarantsika. (Efes. 2:2; 4:17) Aoka isika hitadidy ireto fampitandremana ireto.

3 Ataovy izay tsara—Ho an’ny rahalahy sy anabavintsika: Afaka mampiseho fahaiza-mandray vahiny amin’ny mpiray finoana amintsika isika. Ny fomba tsara indrindra anaovana izany dia ny manasa azy ireo hivahiny any amintsika mandritra ny fivoriambe. Namela ohatra tsara ny kongregasiona kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Olona 3 000 no nanaiky ny finoana kristianina, ka natao batisa, tamin’ny Pentekosta, kanefa 120 teo ho eo monja ny mpianatra, tamin’izany andro izany. Ahoana no handraisana azy rehetra ireo? Nampiseho fitiavana izy 120, ka afaka nijanona tao Jerosalema sy nahazo ny fampianaran’ny apostoly ireo mpianatra vaovao. Voalaza fa “niray toerana” izy rehetra, ary faly nahazo toerana nilasiana sy sakafo ary fanampiana hafa. Nisy Kristianina tsy maintsy nivarotra ny fananany sasany mba handoavana ny vola lany.—Asa. 2:44-47.

4 Asehon’io ohatra io antsika ny fomba ampisehoana fahaiza-mandray vahiny. Mazava ho azy fa ireo rahalahy sy anabavy mipetraka eny akaikin’ny toerana hanaovana ny fivoriambe no tokony hanao izany. Noraisin’ireo rahalahy tany an-tranony ireo mpanatrika fivoriambe avy any lavitra sy ireo nahantra. Nanjary nitovy ny rehetra, araka izany.—2 Kor. 8:14.

5 Tokony hankasitraka izany hatsaram-panahy izany kosa ny mpivahiny. Asehoy àry fa ankasitrahanao ny nandraisana anao tamim-pitiavana. Tadidio fa samy manana ny fahazarany ny fianakaviana tsirairay. Noho izany, dia tokony hanaraka ny fomban’ilay fianakaviana mampiantrano anao ianao. Raha manan-janaka ianao, dia ampahatsiahivo izy ireo mba hanaja ny fananan’ilay fianakaviana mandray anareo. Ny fampiantranoana anao akory tsy midika hoe afaka manao izay tianao ianao, ka tsy hiraharaha ny fomban’ilay fianakaviana. Mandraisa koa anjara amin’ny vola lany isan’andro. Mividiana sakafo, ohatra, na manaova izay mety, araka ny fahafahanao.

6 Ataovy izay tsara—Any amin’ny fivoriambe: Tany amin’ny tany sasany, dia nisy mpanatrika tsy nety nanaraka ny toromariky ny mpikarakara ny mpanatrika, ary nampiseho toetra tsy kristianina tamin’izy ireo mihitsy. Azo antoka fa sady tsy fanaovana izay tsara no tsy midera an’i Jehovah Andriamanitra ny fitiavan-tena. Koa aoka àry isika haneho fitiavana sy faharetana, ary hanaiky ny toromarik’ireo mpikarakara ny mpanatrika.—Gal. 5:22, 23, 25.

7 Misy ankizy mihazakazaka sy mifanosika mba hahazo ny toerana “tsara indrindra”, rehefa misokatra ny vavahady amin’ny valo maraina. Mety handratra izany.

8 Ataovy izay tsara—Amin’ny fitafiantsika sy ny fisehoantsika ankapobe: Taorian’ny fivoriamben’ny distrika iray tamin’ny herintaona, dia hoy ny mpampanonta gazety iray: “Ny fitondran-tenan’ny Vavolombelona no nanaitra indrindra. Tena nahafinaritra ny nahita olona maro be nihaja toy izany. Nisy fianakaviana an-jatony maro avy tamin’ny foko samy hafa, nanao ny akanjony tsara indrindra, niditra nilamina ho ao amin’ilay kianja. Samy hafa tanteraka amin’ny fitondran-tenan’ny ankamaroan’ny olona miditra ao amin’ilay kianja ny azy ireo. Tsy mitovy amin’ny olona rehetra mihitsy izy ireo, raha ny marina. Tsy manaitra intsony mantsy ny mahita olona tsy mahalala fomba. ... Tena mahafinaritra ny Vavolombelona.” Enga anie ny fitafiantsika sy ny fisehoantsika ankapobe na ny fitondran-tenantsika tsy hampiriorio ny sain’ny olona tsy hifantoka amin’ny zavatra ara-panahy.—Fil. 1:10; 1 Tim. 2:9, 10.

9 Ataovy izay tsara—Mandritra ny batisa: Tokony hanaja fatratra ny batisa ireo olona hirotsaka amin’izany. Hanaja ny fahamasinan’ny batisa ianao, raha manao fitafy maotina rehefa haroboka. Tena tsara raha miara-mandinika indray ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1995, ireo mpianatra Baiboly sy ny mpampianatra azy ireo, alohan’ny hanatrehana ny fivoriambe.

10 Hanaporofo ny zavatra inoantsika isika, raha manana fitondran-tena tsara. Fanampin’izany, dia ho mora kokoa ho an’ny olona tso-po ny hahita ny fahamarinana. Koa aoka àry isika hanohy ‘hanao izay tsara’ ka hoderaina, rehefa manatrika ny Fivoriamben’ny Distrika “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra”.—Rom. 13:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara