FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/05 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Fizarana 1: Ny andraikitry ny mpitarika ny fianarana ny boky
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Mampandroso Ireo Asa Mifandray Amin’ny Fampianarana ny Fianarana ny Bokin’ny Kon
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • Fizarana faha-3: Foibe iray ho an’ny asa fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
  • Mpiandraikitra Mitari-dalana — Ny Mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasi
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 3/05 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Iza no azo asaina hamaky ny fehintsoratra mandritra ny Fianarana Boky sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana?

Mandray soa kokoa ny mpanatrika, rehefa vakina ny fehintsoratra mandritra ny fivoriana. Tokony hety sy hisosa tsara àry ny vakiteny any am-pivoriana. Mety ho sarotra amin’ny mpitarika ny hamita ara-potoana ilay fianarana, raha miadana loatra ilay mpamaky fehintsoratra. Miezaka mifantoka amin’ilay fanazavana ny mpihaino. Hanjary hiriorio sy hisafotofoto anefa ny sainy, raha tsy araka ny tokony ho izy ny fanamafisan-kevitra ataon’ilay mpamaky. Toy izany koa raha diso, na miakanakana ny fanononany teny.

Tokony ho ohatra tsara eo amin’ny fiangonana koa ilay olona hasaina hamaky ireo fehintsoratra. Tokony ho rahalahy vita batisa ve ilay mpamaky? Tsara kokoa izany, na dia tsy takina aza. Raha tsy mahay mamaky teny tsara anefa ireo rahalahy vita batisa ao amin’ilay antokon’olona, dia afaka manendry izay olona mahay mamaky teny tsara ny mpiandraikitra fianarana boky. Handray soa faran’izay betsaka ny rehetra amin’izay. Mety ho anabavy no hasaina hamaky indraindray. Tsara raha tendrena mialoha ny mpamaky teny.

Izay mahay mamaky teny indrindra kosa no hotendrena ho mpamaky teny amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, na dia roa na telo fotsiny aza izy ireo. Tsara kokoa raha rahalahy vita batisa izy ireo. Azo arahina tsara izany any amin’ny fiangonana maro. Raha sarotra anefa izany, dia izay fandaharana mety indrindra eo an-toerana ka hahasoa ny fiangonana no halamin’ny anti-panahy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara