FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/06 p. 5
  • Mpanampy Mora Azo Indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpanampy Mora Azo Indrindra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Ny Kôngregasiôna Kristianina — Loharanon’ny Fanampiana Manatanjaka
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Aza mianina amin’ny filazana hoe: “Mamindroa, mivokisa”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny Fanaovana Dingana Hentitra mba Hitohizan’ny Fandrosoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
km 2/06 p. 5

Mpanampy Mora Azo Indrindra

1. Inona no mety hampahalemy finoana ny olona iray?

1 Anabavy manambady tsy Vavolombelona i Anna, ary mandany fotoana be ny asany. Sarotra taminy àry ny nivory tsy tapaka sy nandeha nanompo ary nianatra ny Tenin’Andriamanitra. Lasa tsy nitory intsony izy, na dia mbola tia an’i Jehovah aza. Soa ihany fa nampian’ny anti-panahy be fiahiana izy.

2. Inona no azon’ny Kristianina rehetra atao, mba ho mpanampy mora azo indrindra izy?

2 Porofointsika fa miantehitra amin’i Jehovah isika, rehefa manaiky ny fanampiana omeny amin’ny alalan’ny fiangonana kristianina. Maneho fiahiana amim-pitiavana toa an’i Jesosy Kristy ny anti-panahy, ka miezaka mampahery sy manampy an’ireo malemy finoana. (1 Tes. 5:14) Matetika ny tena ilain’izy ireny, dia teny mampahery sy feno hatsaram-panahy, miorina amin’ny andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina. Tsy ny anti-panahy ihany no tokony hitady fomba hanampiana an’ireo lasa malemy finoana, fa ny Kristianina rehetra koa. Azo antoka fa efa nahatsapa isika tsirairay hoe tena misy heriny ny “teny atao amin’ny antony” sy voahevitra tsara.—Ohab. 25:11; Isaia 35:3, 4.

3, 4. Inona avy no tafiditra amin’ny hoe manampy ny hafa, ary ahoana no hanaovantsika izany?

3 Manaova zavatra: Raha te haneho fitiavana sy fiahiana an’ireo mila fanampiana isika, dia isika mihitsy no mila manatona azy, miara-miory aminy, ary miezaka mafy manampy azy. Rehefa fantatr’i Jonatana, ohatra, ny olana nahazo an’i Davida, dia ‘niainga nankany amin’i Davida tany an’ala izy ka nampahery ny tanany.’ (1 Sam. 23:15, 16) Tokony ho tsara fanahy koa ianao rehefa manampy ny hafa. Ny teny maneho fiahiana sy vokatry ny fo no mandaitra indrindra. Nasehon’i Jesosy mazava tsara tao amin’ny fanoharana iray, fa mila miezaka mafy sy tsy milavo lefona mihitsy isika, raha te hanampy rahalahy na anabavy iray mba hanana finoana matanjaka indray. (Lioka 15:4). Ary raha te hanampy ny hafa isika, dia mila maneho fikirizana sy manolotra fanampiana foana, na dia tsy miharihary avy hatrany aza ny fandrosoany.

4 Tena hampahery ny hafa isika raha manasa azy hiara-manompo amintsika! Azo atomboka amin’ireo mpiray fianarana boky amintsika izany. Afaka manararaotra mampirisika azy hazoto kokoa amin’ny fanompoana isika, rehefa manao izany. Mahafaly ny miara-manompo an’i Jehovah toy izany, ary tena hampahery an’ireo Kristianina izay miezaka mba hatanjaka ara-panahy indray.

5. Inona indraindray no fanampiana mety ho azon’ny anti-panahy omena?

5 Fandaharana feno fitiavana: Efa tsy nitory sy tsy nifanerasera tamin’ny fiangonana intsony ny Kristianina sasany, ka mety hila fanampiana fanampiny mba hananany finoana matanjaka indray. Fianarana Baiboly amin’ny boky Mivavaha na Manatòna An’i Jehovah na Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? angamba no tena ilainy. Efa vita batisa ilay olona, ka tsy mila tohizina ela ny fianarany. Tokony hahay handinika tsara ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana, mba hahafantarany hoe iza no mety handray soa avy amin’izany fanampiana izany.—Jereo ny Valin’ny Fanontanianareo ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1998 sy Novambra 2000.

6. Ahoana no nanatanjahana indray ny finoan’ny anabavy iray?

6 Nasain’ny anti-panahy nianatra Baiboly niaraka tamin’ny anabavy matotra ara-panahy i Anna, ilay noresahina terỳ aloha. Nanaiky sy nankasitraka izany izy. Fianarana inefatra monja dia nanampy azy hanatona an’i Jehovah indray. Niverina nanatrika fivoriana izy, ary naniry hidera an’i Jehovah ampahibemaso indray. Nanampy azy tamin’ny fanompoana koa ilay anabavy, ka nitondra azy niara-nampianatra taminy mandra-pananany hery ampy mba hitoriana isan-trano. Fanampiana feno hatsaram-panahy no tena nilain’i Anna mba hanaovana indray ireo asa kristianina!

7. Inona no valisoa azo avy amin’ny fampaherezana ny hafa?

7 Ny rehetra no mandray fitahiana rehefa ampaherezina ireo mila fanampiana. Faly sy sambatra ilay nahazo fanampiana, satria afaka manatona an’i Jehovah sy miara-miasa amin’ny fandaminany indray. Faly koa ny anti-panahy mahita izany fandrosoany izany. (Lioka 15:5, 6) Ary lasa miray saina ny fiangonana rehefa mifampiahy amim-pitiavana ny rehetra. (Kol. 3:12-14) Tena manana antony tsara àry isika mba hanahafana an’i Jehovah, ilay mpanampy mora azo indrindra!—Efes. 5:1.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara