KEDORLAOMERA
(Kedôrlaômèra).
Mpanjakan’i Elama fahiny. Nanitatra ny fanjakany niankandrefana hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta izy, talohan’ny 1943 T.K., taona nidiran’i Abrahama tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nozanahin’i Kedorlaomera ireo mpanjaka dimy tany akaikin’ny tendrony atsimo amin’ny Ranomasina Maty. Nikomy taminy anefa izy ireo rehefa avy nanompo azy 12 taona. Te hampitsahatra an’io fikomiana io i Kedorlaomera tamin’ny taona faha-14, ka nanafika niankandrefana izy sy ireo mpanjaka telo mpiray dina taminy, izany hoe i Amrafela mpanjakan’i Sinara, sy Arioka avy any Elasara, ary Tidala mpanjakan’i Goima. Nanomboka ny fanafihany tany avaratra izy ireo, ary nianatsimo avy eo. Resiny ireo tanàna teny amin’ireo lalana fivezivezen’ny entam-barotra, tany atsinanan’i Jordana. Resiny koa ireo tanàna tany atsimon’ny Ranomasina Maty, tao amin’ilay faritra nonenan’ny Amalekita tatỳ aoriana. Mora àry ny nandresy an’ireo mpanjaka dimy nitarika an’ilay fikomiana.
Anisan’ireo nentin’i Kedorlaomera ho babo i Lota zana-drahalahin’i Abrahama, izay nonina tsy lavitra teo. Raha vao fantatr’i Abrahama izany, dia nanenjika haingana azy ireo izy sy ny mpanompony 318 nitam-piadiana. Namely tampoka an’ireo fahavalo tena nahery ireo ry Abrahama, tany Dana. Nenjehiny hatrany Hoba any avaratr’i Damaskosy izy ireo, ary azony ihany i Lota sy ny fananany.—Ge 14:1-17.
Ekena ho anarana elamita ny anaran’i Kedorlaomera, na dia tsy hita ao amin’ny lisitr’ireo mpanjakan’i Elama fahiny aza. Hita ao amin’ny anarana maro ny hoe Kodor, izay mety ho Kedôr ihany saingy misy tsy fitoviana kely. Anisan’ny andriamanitry ny Elamita i Lagamar, izay misy itovizana amin’ny hoe laômer.