Valin’ny Fanontanianareo
◼ Inona no tokony hodinihinao mialoha raha misy fanananao tianao homena ny fandaminana, raha sanatria maty ianao?
Tsy manana fahefana amin’ny fananany intsony ny olona rehefa maty. (Mpito. 9:5, 6) Maro àry no manao didim-pananana, dieny mbola velona, mba hampahafantarana hoe hatao ahoana ny fananany rehefa maty izy. (2 Mpanj. 20:1) Hita ao amin’ny didim-pananana koa matetika hoe iza no hanatanteraka izay voalaza ao. Raha tsy misy didim-pananana kosa, dia ny manam-pahefana no hizara ny fananan’ilay olona maty. Tokony hanao didim-pananana ara-dalàna àry isika raha tiantsika homena ny fandaminana, ohatra, ny fananantsika manontolo na ny ampahany aminy. Tokony ho hita mazava tsara ao ny faniriantsika. Tokony hofidintsika tsara koa ilay olona hanatanteraka izay voasoratra ao.
Manana andraikitra lehibe ilay mpanatanteraka didim-pananana. Sarotra sy mandany fotoana be mantsy ny manangona sy mizara fananan’olona iray, indrindra raha be dia be ilay izy. Misy toromarika omen’ny fanjakana tsy maintsy arahina koa matetika. Tsy ny olona rehetra eo anivon’ny fiangonana no tsara hatao mpanatanteraka didim-pananana. Tokony ho olona mahira-tsaina sy azo itokisana ary vonona hanao izay irintsika no hofidintsika. Afaka manontany ny anti-panahy ny mpitory raha te hahafantatra ny tari-dalana arahina sy ny fomba fanamboarana didim-pananana. Hita ao amin’ny taratasy ho an’ny fiangonana tamin’ny 28 Jolay 2005 izany.
Raha iangaviana ho lasa mpanatanteraka didim-pananana ianao: Mila dinihinao mialoha ny andraikitra miandry anao, ary mila mivavaka ianao mba hahitanao raha ho vitanao ilay izy. (Lioka 14:28-32) Aorian’ny hahafatesan’ilay olona, dia tokony holazainao amin’ireo olona voalaza ao amin’ilay didim-pananana fa hahazo amin’ny fananan’ilay maty izy. Hozarainao avy eo ny fananan’ilay olona, rehefa mahazo alalana hanao izany ianao. Tokony hifanaraka amin’ny lalàna ilay fizarana. Tokony harahina tsara koa izay voasoratra ao amin’ilay didim-pananana, na kely ny fananany na be dia be. Ny fanomezana rehetra omena ny fikambanana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia lasa fananan’ny fandaminana.—Lioka 16:10; 21:1-4.