Hatsarao ny Fanompoanao: Fomba Amaliana ny Olona Tsy Te Hiresaka
Nahoana izany no tena ilaina? Aoka hatao hoe misy loza mananontanona, ary ho faty ny olona raha tsy mandositra any amin’ny toerana azo antoka. Mankany amin’ny mpiray tanàna aminao ianao mba hampitandrina azy, nefa tapahiny ny teninao satria sahirana, hono, izy. Azo antoka fa tsy hilavo lefona ianao fa hitady fomba hampitandremana azy ihany. Maro koa no tsy mihaino antsika satria tsy mahatakatra hoe hafatra mamonjy aina no entintsika. Sahirana angamba izy ireo amin’ny fotoana itsidihantsika azy. (Mat. 24:37-39) Mety ho naheno tsaho koa izy ireo ka lasa mitsara an-tendrony antsika. (Mat. 11:18, 19) Mety hihevitra izy ireo hoe tsy mifankaiza amin’ireo fivavahana mamoa voa ratsy isika. (2 Pet. 2:1, 2) Raha tsy liana àry ny olona itorianao dia aza maika ny hiala.
Andramo izao amin’ity volana ity:
Raha sendra olona tsy te hiresaka ianao, dia iaraho midinika amin’ilay namanao, rehefa miala eo amin’ilay trano ianareo, hoe inona no fomba tsara kokoa azo namaliana an’ilay olona.