Fomba Fitory Modely
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona
“Mampirisika ny olona mba hamaky Baiboly izahay. Maro anefa no milaza fa misy zavatra tsy marina, hono, ao amin’ny Baiboly, rehefa jerena ny fikarohana nataon’ny mpahay siansa. Ahoana ny hevitrao? Marina daholo ve ny zavatra lazain’ny Baiboly? [Avelao izy hamaly.] Ity misy ohatra manaporofo hoe mifanaraka tsara ny Baiboly sy ny siansa. [Vakio ny Joba 26:7.] Manazava bebe kokoa an’izany ity gazety ity.”
Mifohaza! Jona
“Be dia be izao ny marary, ka ity misy andinin-teny mampahery mba tianay hovakina aminao. [Vakio ny Isaia 33:24a.] Hanao ahoana ny fiainana, araka ny hevitrao, raha tsy misy marary izany intsony? [Avelao izy hamaly.] Amin’ny hoavy vao ho tanteraka izany, nefa dieny izao dia efa misy zavatra azo atao mba hahasalama kokoa. Miresaka soso-kevitra dimy ity gazety ity.”