-
Nomery 15:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Mofo boribory avy amin’ny santatry ny varimbazahanareo+ tsy nototoina malemy no ataovy fanomezana. Hoatran’ny ataonareo rehefa manome vokatra avy eny am-pamoloana ihany no hataonareo rehefa manome an’ilay izy.
-
-
Nehemia 10:35-37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
35 Hoentinay any an-tranon’i Jehovah isan-taona koa ny voaloham-bokatry ny taninay sy ny voaloham-bokatry ny karazan-kazo rehetra.+ 36 Hoentinay any amin’ny mpisorona manompo ao an-tranon’Andriamanitray+ ny zanakay lahimatoa sy ny voalohan-teraky ny biby fiompinay,+ araka izay voasoratra ao amin’ny Lalàna. Hoentinay any koa ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinay. 37 Ary hoentinay any amin’ny mpisorona ao amin’ny efitra fitehirizana* ao an-tranon’Andriamanitray+ ny santatry ny varimbazahanay tsy nototoina malemy.+ Haterinay any koa ny fanomezanay, ny vokatry ny karazan-kazo rehetra,+ ny divay vaovao, ary ny menaka.+ Dia hatolotray ho an’ny Levita ny ampahafolon’ny vokatry ny taninay,+ satria ny Levita no manangona ny ampahafolony, any amin’ny tanàna rehetra misy ny tanimbolinay.
-