-
Isaia 14:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Hoentin’ny hafa firenena hiverina hody izy ireo. Ary hataon’ny taranak’Israely ho mpanompolahiny sy mpanompovaviny+ any amin’ny tanin’i Jehovah ireny. Dia hataon’ny taranak’Israely babo ireo nitondra azy ho babo, ary hofeheziny ireo mpanery azy hiasa.
-
-
Amosa 9:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 ‘Amin’izany andro izany, dia hatsangako ny trano rantsankazon’i* Davida+ izay efa nirodana,
Ary hotampenako izay gorobaka.*
Haveriko amin’ny laoniny izay sisa tsy rava tamin’ilay izy.
Hamboariko indray ilay izy dia ho lasa hoatran’ny taloha,+
12 Amin’izay mba ho azony alaina ny sisa tavela amin’i Edoma,+
Sy ny firenena rehetra izay antsoina amin’ny anarako’, hoy i Jehovah, izay hanao an’izany.
-