FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Matio 22:15-22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Dia lasa ny Fariseo ka niray tetika hamandrika an’i Jesosy amin’ny teniny.+ 16 Nirahin’izy ireo nankany amin’i Jesosy àry ny mpianatr’izy ireo, niaraka tamin’ny mpanohana an’i Heroda,+ hiteny hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao, sady mampianatra ny marina momba an’Andriamanitra. Tsy mba mila sitraka amin’ny olona koa ianao satria tsy mijery tavan’olona.* 17 Lazao aminay àry izay hevitrao: Azo atao* ve sa tsia ny mandoa hetra* amin’i Kaisara?” 18 Fantatr’i Jesosy anefa fa ratsy saina izy ireo, ka hoy izy: “Ry mpihatsaravelatsihy, maninona ianareo no mitsapa ahy? 19 Asehoy ahy ny vola madinika andoavana hetra.” Dia nitondran’ireo denaria* iray izy. 20 Ary hoy izy tamin’ireo: “Sarin’iza io, dia anaran’iza io?” 21 Hoy izy ireo: “An’i Kaisara.” Dia hoy izy: “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ 22 Gaga izy ireo rehefa naheno an’izany, dia lasa nandeha.

  • Marka 12:13-17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ary nirahin’ireo hankany amin’i Jesosy ny sasany tamin’ny Fariseo sy ny mpanohana an’i Heroda mba hamandrika azy amin’ny teniny.+ 14 Rehefa tonga ireo dia niteny taminy hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao. Tsy mba mila sitraka amin’ny olona koa ianao satria tsy mijery tavan’olona,* ary marina ny fampianaranao momba an’Andriamanitra. Azo atao* ve sa tsia ny mandoa hetra* amin’i Kaisara? 15 Tokony handoa ve izahay sa tsia?” Fantatr’i Jesosy anefa hoe nihatsaravelatsihy izy ireo, ka hoy izy taminy: “Maninona ianareo no mitsapa ahy? Itondray denaria* iray aho hojereko.” 16 Dia nitondran’ireo izy. Ary hoy izy tamin’ireo: “Sarin’iza io, dia anaran’iza io?” Hoy ireo taminy: “An’i Kaisara.” 17 Hoy àry i Jesosy: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara,+ fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ Dia talanjona tamin’ny teniny ireo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara