FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb25.11 3
  • 17-23 Novambra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 17-23 Novambra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2025
mwb25.11 3

17-23 NOVAMBRA

TONONKIRAN’I SOLOMONA 6-8

Hira 34 sy Vavaka | Teny Fampidirana (1 min.)

HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1. Tokony ho Hoatran’ny Manda Isika fa Tsy Hoatran’ny Varavarana

(10 min.)

Tian’ny anadahiny hadio fitondran-tena foana ilay ankizivavy solemita (To 8:8, 9; it “Tononkiran’i Solomona” § 11)

Nilamin-tsaina izy satria nahavita nanohitra fakam-panahy (To 8:10; yp 188 § 2)

Modely ho an’ny tanora izy (yp2 33)

Israelita telo lahy mijoro eo anoloan’ny manda vato sady manao “croiser les bras.”

SAINTSAINO IZAO: ‘Ahoana no azoko anampiana ny mpitovo ao amin’ny fiangonanay, mba ho hoatran’ny manda ry zareo fa tsy ho hoatran’ny varavarana?’

2. Vatosoa Ara-panahy

(10 min.)

  • To 8:6​—Nahoana ny tena fitiavana no hoatran’ny “lelafo avy amin’i Jah”? (w23.05 23:1)

  • Inona ny vatosoa ara-panahy hitanao tamin’ny famakiana Baiboly tamin’ity herinandro ity?

3. Famakiana Teny

(4 min.) fg 7:7 (th 12)

FAMPIOFANANA AMIN’NY FANOMPOANA

4. Miresadresaha Aloha

(2 min.) ISAN-TRANO. Ampiasao ny karatra jw.org mba hanombohana resaka. (lmd 4:4)

5. Miresadresaha Aloha

(2 min.) AMPAHIBEMASO. Mampiasà taratasy mivalona mba hanombohana resaka eny amin’ny faritany be toeram-piasana. (lmd 1:4)

6. Miresadresaha Aloha

(2 min.) TSY ARA-POTOANA. Miresadresaka amin’ilay olona ianao. Tsy afaka nitory anefa ianao satria tapaka ilay resaka. (lmd 2:4)

7. Hazavao ny Zavatra Inoanao

(5 min.) Fampisehoana. lff 42:4-5​—Foto-kevitra: Inona No Dinihin’ny Vavolombelon’i Jehovah Alohan’ny Hanambadiany Olona Iray? (th 7)

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hira 121

8. Andosiro ny Fijangajangana

(15 min.) Fiaraha-midinika.

Hitantsika ao amin’ny Tononkiran’i Solomona hoe nasain’ilay mpiandry ondry hiaraka aminy handehandeha ilay ankizivavy solemita. (To 2:10-14) Marina hoe tsy nieritreritra ny hanao ratsy ilay mpiandry ondry. Nasain’ny anadahiny hiasa anefa ilay ankizivavy, amin’izay tsy mandeha. (To 2:15) Fantatry ry zareo mantsy hoe tia an’ilay mpiandry ondry izy, dia mety hanaonao foana izy roa raha mitokantokana.

Milaza ny Baiboly hoe tokony ‘handositra ny fijangajangana’ ny Kristianina. (1Ko 6:18) Tokony hialantsika àry izay rehetra mety hahatonga antsika ho ratsy fitondran-tena. Nilaza koa ilay nanoratra ny Tononkiran’i Solomona hoe: “Mahatsinjo ny loza ny olona malina ka miafina, fa izay tsy dia nahita fiainana kosa mbola miroso ihany ka voa.”​—Oh 22:3.

Alefaso ilay VIDEO hoe “Mahafantatra ny Miafina ao Am-po” Andriamanitra. Iaraho midinika ity avy eo:

  • Inona avy ny lesona nianaranao tamin’iny video iny?

    Sary avy amin’ilay video hoe “ ‘Mahafantatra ny Miafina ao Am-po’ Andriamanitra”: Maharay hafatra ilay rahalahy mandritra ny fivoriana.
    Sary avy amin’ilay video hoe “ ‘Mahafantatra ny Miafina ao Am-po’ Andriamanitra”: Mipetraka eo akaikin’ny ankizivavy iray any am-pianarana ilay rahalahy ary kasihin’ilay ankizivavy ny tanany.
    Sary avy amin’ilay video hoe “ ‘Mahafantatra ny Miafina ao Am-po’ Andriamanitra”: Miresaka amin’ny ray aman-dreniny eo an-databatra ilay rahalahy.

9. Fianarana Baiboly

(30 min.) lff 10:5

Teny Famaranana (3 min.) | Hira 90 sy Vavaka

    Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Tenin’ny Tanana Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara