FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Shan
  • Androany

Alakamisy 2 Oktobra

Ny divay tsara no notehirizinao hatramin’izao.​—Jaona 2:10.

Inona no ianarantsika avy amin’ilay fahagagana nataon’i Jesosy tamin’izy nanova ny rano ho divay? Hoe ilaina ny manetry tena. Tsy nirehareha tamin’ny fahagagana nataony i Jesosy. Raha ny marina aza, dia tsy mba dedadedaka tamin’ny zava-bitany mihitsy izy. Nanetry tena kosa izy, ka ny Rainy foana no nomeny ny dera sy voninahitra rehetra. (Jaona 5:19, 30; 8:28) Raha manetry tena hoatran’i Jesosy isika, dia tsy hidera tena amin’izay zava-bitantsika. Aleo mirehareha amin’ilay Andriamanitra miavaka tompointsika, toy izay mirehareha amin’ny tenantsika. (Jer. 9:23, 24) Andao àry izy no hoderaintsika, satria mendrika an’izany izy. Inona koa moa no ho vitantsika eo raha tsy eo izy? (1 Kor. 1:26-31) Raha manetry tena isika, dia tsy hitady dera amin’ny zavatra tsara nataontsika ho an’ny hafa. Efa afa-po isika mahafantatra hoe hitan’i Jehovah sy sarobidy aminy izay ataontsika. (Ampitahao amin’ny Matio 6:2-4; Heb. 13:16) Azo antoka fa mampifaly an’i Jehovah isika rehefa manetry tena hoatran’i Jesosy.​—1 Pet. 5:6. w23.04 15:9, 11-12

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Zoma 3 Oktobra

Aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.​—Fil. 2:4.

Nahazo fanahy masina ny apostoly Paoly, ka nampirisika ny Kristianina mba hitady izay hahasoa ny hafa. Ahoana no ampiharantsika an’izany mandritra ny fivoriana? Tadidio hoe mba te hamaly hoatr’antsika koa ry zareo. Saintsaino izao: Mibodo resaka ve ianao rehefa miaraka amin’ny namanao ka tsy misy handaharana mihitsy? Mazava ho azy fa tsia! Tianao raha mba mandray anjara amin’ilay resaka koa ry zareo. Hoatr’izany koa mandritra ny fivoriana. Tiantsika raha betsaka araka izay azo atao no mamaly. Avelantsika hanambara ny finoany ry zareo. Izany mantsy no anisan’ny fomba tsara indrindra hampaherezantsika ny rahalahy sy anabavintsika. (1 Kor. 10:24) Ataovy fohy ny valin-teninao mba ho betsaka kokoa no afaka mamaly. Na fohy aza ny valin-teninao, dia aza miresaka hevitra be loatra. Raha resahinao daholo mantsy ny hevitra ao amin’ilay fehintsoratra, dia inona intsony no horesahin’ny hafa? w23.04 18:11-13

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Asabotsy 4 Oktobra

Ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.​—1 Kor. 9:23.

Tsy maintsy tadidintsika hoe tena ilaina ny manohy manampy ny hafa, indrindra amin’ny alalan’ny fanompoana. Mila mahay mampifanaraka ny fitoriantsika amin’izay mitranga eny amin’ny fanompoana isika. Mihaona amin’ny olona samihafa finoana sy toe-tsaina ary fiaviana mantsy isika eny. Nahay nampifanaraka ny fitoriany tamin’ny zava-misy, ohatra, ny apostoly Paoly ary afaka mianatra avy aminy isika. Notendren’i Jesosy ho “apostoly ho an’ny hafa firenena” izy. (Rom. 11:13) Izany no nahatonga an’i Paoly hitory tamin’ny Jiosy, Grika, avara-pianarana, tantsaha, olona ambony, ary mpanjaka. Inona no nanampy an’i Paoly hanohina ny fon’ny olona isan-karazany hoatr’izany? Niezaka ny ho “lasa zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra” izy. (1 Kor. 9:19-22) Nodinihiny tsara ny kolontsaina sy ny fiaviana ary ny finoan’ny olona nihaino azy, dia nampifanarahiny tamin’izany ny zavatra nolazainy. Handaitra kokoa hoatr’izany ny fitoriantsika raha mahay mitady hevitra isika, sady ampifanarahintsika amin’izay ilain’ny olona ny zavatra resahintsika. w23.07 32:11-12

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara