Zoma 3 Oktobra
Aza mitady izay hahasoa ny tenanareo fotsiny, fa izay hahasoa ny hafa koa.—Fil. 2:4.
Nahazo fanahy masina ny apostoly Paoly, ka nampirisika ny Kristianina mba hitady izay hahasoa ny hafa. Ahoana no ampiharantsika an’izany mandritra ny fivoriana? Tadidio hoe mba te hamaly hoatr’antsika koa ry zareo. Saintsaino izao: Mibodo resaka ve ianao rehefa miaraka amin’ny namanao ka tsy misy handaharana mihitsy? Mazava ho azy fa tsia! Tianao raha mba mandray anjara amin’ilay resaka koa ry zareo. Hoatr’izany koa mandritra ny fivoriana. Tiantsika raha betsaka araka izay azo atao no mamaly. Avelantsika hanambara ny finoany ry zareo. Izany mantsy no anisan’ny fomba tsara indrindra hampaherezantsika ny rahalahy sy anabavintsika. (1 Kor. 10:24) Ataovy fohy ny valin-teninao mba ho betsaka kokoa no afaka mamaly. Na fohy aza ny valin-teninao, dia aza miresaka hevitra be loatra. Raha resahinao daholo mantsy ny hevitra ao amin’ilay fehintsoratra, dia inona intsony no horesahin’ny hafa? w23.04 18:11-13
Asabotsy 4 Oktobra
Ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.—1 Kor. 9:23.
Tsy maintsy tadidintsika hoe tena ilaina ny manohy manampy ny hafa, indrindra amin’ny alalan’ny fanompoana. Mila mahay mampifanaraka ny fitoriantsika amin’izay mitranga eny amin’ny fanompoana isika. Mihaona amin’ny olona samihafa finoana sy toe-tsaina ary fiaviana mantsy isika eny. Nahay nampifanaraka ny fitoriany tamin’ny zava-misy, ohatra, ny apostoly Paoly ary afaka mianatra avy aminy isika. Notendren’i Jesosy ho “apostoly ho an’ny hafa firenena” izy. (Rom. 11:13) Izany no nahatonga an’i Paoly hitory tamin’ny Jiosy, Grika, avara-pianarana, tantsaha, olona ambony, ary mpanjaka. Inona no nanampy an’i Paoly hanohina ny fon’ny olona isan-karazany hoatr’izany? Niezaka ny ho “lasa zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra” izy. (1 Kor. 9:19-22) Nodinihiny tsara ny kolontsaina sy ny fiaviana ary ny finoan’ny olona nihaino azy, dia nampifanarahiny tamin’izany ny zavatra nolazainy. Handaitra kokoa hoatr’izany ny fitoriantsika raha mahay mitady hevitra isika, sady ampifanarahintsika amin’izay ilain’ny olona ny zavatra resahintsika. w23.07 32:11-12
Alahady 5 Oktobra
Tsy tokony hiady ... ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa.—2 Tim. 2:24.
Tsy hoe tsy manana hazondamosina akory ny olona malemy fanahy. Mila herin-tsaina ianao vao hahavita ho tony rehefa ao anatin’ny sarotra. Anisan’ny “vokatry ny fanahy” ny fahalemem-panahy. (Gal. 5:22, 23) Nilazana soavalidia efa voafolaka ilay teny grika nadika hoe ‘malemy fanahy’ indraindray. Eritrereto hoe mahita soavalidia tsy mitrifatrifana intsony ianao, fa lasa tony. Tony izy fa mbola matanjaka ihany! Inona àry no hanampy antsika halemy fanahy, nefa koa hatanjaka? Tsy ho vitantsika irery izany! Tena ilaina ny mivavaka mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra. Angataho izy hanampy anao hanana an’io toetra tsara io. Betsaka no nahavita an’izany. Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah nalemy fanahy rehefa nisy nanohitra, dia lasa hitan’ny olona hoe mahafinaritra isika.—2 Tim. 2:24, 25. w23.09 39:3