Asabotsy 4 Oktobra
Ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.—1 Kor. 9:23.
Tsy maintsy tadidintsika hoe tena ilaina ny manohy manampy ny hafa, indrindra amin’ny alalan’ny fanompoana. Mila mahay mampifanaraka ny fitoriantsika amin’izay mitranga eny amin’ny fanompoana isika. Mihaona amin’ny olona samihafa finoana sy toe-tsaina ary fiaviana mantsy isika eny. Nahay nampifanaraka ny fitoriany tamin’ny zava-misy, ohatra, ny apostoly Paoly ary afaka mianatra avy aminy isika. Notendren’i Jesosy ho “apostoly ho an’ny hafa firenena” izy. (Rom. 11:13) Izany no nahatonga an’i Paoly hitory tamin’ny Jiosy, Grika, avara-pianarana, tantsaha, olona ambony, ary mpanjaka. Inona no nanampy an’i Paoly hanohina ny fon’ny olona isan-karazany hoatr’izany? Niezaka ny ho “lasa zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra” izy. (1 Kor. 9:19-22) Nodinihiny tsara ny kolontsaina sy ny fiaviana ary ny finoan’ny olona nihaino azy, dia nampifanarahiny tamin’izany ny zavatra nolazainy. Handaitra kokoa hoatr’izany ny fitoriantsika raha mahay mitady hevitra isika, sady ampifanarahintsika amin’izay ilain’ny olona ny zavatra resahintsika. w23.07 32:11-12
Alahady 5 Oktobra
Tsy tokony hiady ... ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa.—2 Tim. 2:24.
Tsy hoe tsy manana hazondamosina akory ny olona malemy fanahy. Mila herin-tsaina ianao vao hahavita ho tony rehefa ao anatin’ny sarotra. Anisan’ny “vokatry ny fanahy” ny fahalemem-panahy. (Gal. 5:22, 23) Nilazana soavalidia efa voafolaka ilay teny grika nadika hoe ‘malemy fanahy’ indraindray. Eritrereto hoe mahita soavalidia tsy mitrifatrifana intsony ianao, fa lasa tony. Tony izy fa mbola matanjaka ihany! Inona àry no hanampy antsika halemy fanahy, nefa koa hatanjaka? Tsy ho vitantsika irery izany! Tena ilaina ny mivavaka mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra. Angataho izy hanampy anao hanana an’io toetra tsara io. Betsaka no nahavita an’izany. Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah nalemy fanahy rehefa nisy nanohitra, dia lasa hitan’ny olona hoe mahafinaritra isika.—2 Tim. 2:24, 25. w23.09 39:3
Alatsinainy 6 Oktobra
[Nivavaka aho], dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.—1 Sam. 1:27.
Nahazo fahitana mahavariana ny apostoly Jaona. Nahita anti-panahy 24 tany an-danitra izy. Nivavaka tamin’i Jehovah ry zareo. Nidera an’Andriamanitra ireo anti-panahy ireo, ary nilaza fa mendrika ny homena “voninahitra sy haja ary hery” izy. (Apok. 4:10, 11) Manana antony be dia be hiderana sy hanomezana voninahitra an’i Jehovah koa ny anjely tsy mivadika. Any an-danitra miaraka aminy mantsy ry zareo, ary efa mahafantatra azy tsara. Mahita ny toetra tsarany ry zareo sady lasa te hidera azy rehefa mandinika an’izay ataony. (Joba 38:4-7) Tokony hidera an’i Jehovah koa isika rehefa mivavaka, izany hoe hilaza aminy an’izay itiavantsika azy sy izay ankasitrahantsika momba azy. Rehefa mamaky sy mianatra Baiboly ianao, dia ezaho karohina izay toetran’i Jehovah tena manintona anao. (Joba 37:23; Rom. 11:33) Lazao aminy avy eo izay tsapanao momba an’ireny toetrany ireny. Afaka midera an’i Jehovah koa isika noho izy manampy antsika sy ny mpiara-manompo amintsika maneran-tany.—1 Sam. 2:1, 2. w23.05 20:6-7