FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
Fampandrenesana
Fiteny vaovao misy: Shan
  • Androany

Alahady 5 Oktobra

Tsy tokony hiady ... ny mpanompon’ny Tompo, fa halemy fanahy amin’ny rehetra kosa.​—2 Tim. 2:24.

Tsy hoe tsy manana hazondamosina akory ny olona malemy fanahy. Mila herin-tsaina ianao vao hahavita ho tony rehefa ao anatin’ny sarotra. Anisan’ny “vokatry ny fanahy” ny fahalemem-panahy. (Gal. 5:22, 23) Nilazana soavalidia efa voafolaka ilay teny grika nadika hoe ‘malemy fanahy’ indraindray. Eritrereto hoe mahita soavalidia tsy mitrifatrifana intsony ianao, fa lasa tony. Tony izy fa mbola matanjaka ihany! Inona àry no hanampy antsika halemy fanahy, nefa koa hatanjaka? Tsy ho vitantsika irery izany! Tena ilaina ny mivavaka mba hahazoana ny fanahin’Andriamanitra. Angataho izy hanampy anao hanana an’io toetra tsara io. Betsaka no nahavita an’izany. Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah nalemy fanahy rehefa nisy nanohitra, dia lasa hitan’ny olona hoe mahafinaritra isika.​—2 Tim. 2:24, 25. w23.09 39:3

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Alatsinainy 6 Oktobra

[Nivavaka aho], dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.​—1 Sam. 1:27.

Nahazo fahitana mahavariana ny apostoly Jaona. Nahita anti-panahy 24 tany an-danitra izy. Nivavaka tamin’i Jehovah ry zareo. Nidera an’Andriamanitra ireo anti-panahy ireo, ary nilaza fa mendrika ny homena “voninahitra sy haja ary hery” izy. (Apok. 4:10, 11) Manana antony be dia be hiderana sy hanomezana voninahitra an’i Jehovah koa ny anjely tsy mivadika. Any an-danitra miaraka aminy mantsy ry zareo, ary efa mahafantatra azy tsara. Mahita ny toetra tsarany ry zareo sady lasa te hidera azy rehefa mandinika an’izay ataony. (Joba 38:4-7) Tokony hidera an’i Jehovah koa isika rehefa mivavaka, izany hoe hilaza aminy an’izay itiavantsika azy sy izay ankasitrahantsika momba azy. Rehefa mamaky sy mianatra Baiboly ianao, dia ezaho karohina izay toetran’i Jehovah tena manintona anao. (Joba 37:23; Rom. 11:33) Lazao aminy avy eo izay tsapanao momba an’ireny toetrany ireny. Afaka midera an’i Jehovah koa isika noho izy manampy antsika sy ny mpiara-manompo amintsika maneran-tany.​—1 Sam. 2:1, 2. w23.05 20:6-7

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025

Talata 7 Oktobra

[Aoka] hanome voninahitra an’i Jehovah ny fitondran-tenanareo.​—Kol. 1:10.

Tsy afaka nifehy ny vahoakan’Andriamanitra intsony i Babylona Lehibe, tamin’ny 1919. Tamin’io mantsy no nanomboka nisy ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mat. 24:45-47; Isaia 35:8) Ara-potoana tsara izany satria handray an’ireo olona tso-po handeha amin’ilay lalana vao nisokatra ry zareo, izany hoe ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” Soa ihany fa nisy olona tsy nivadika efa nanomana an’ilay lalana taloha, dia lasa afaka nahafantatra kokoa momba ny fikasan’i Jehovah ireo nanomboka nandeha tamin’io lalambe io. (Ohab. 4:18) Lasa afaka nampifanaraka ny fiainany tamin’izay notakin’i Jehovah koa ry zareo. Tsy nanantena anefa izy hoe hahavita hanova ny zava-drehetra indray mandeha ny vahoakany. Nodioviny tsikelikely kosa ry zareo rehefa nandeha ny fotoana. Ho sambatra erỳ isika rehefa mahavita mampifaly an’ilay Andriamanitsika amin’ny zava-drehetra ataontsika! Mila kojakojaina matetika ny lalana. Hoatr’izany koa ilay “Lalan’ny Fahamasinana.” Nohatsaraina foana izy io nanomboka tamin’ny 1919, amin’izay betsaka kokoa ny olona afaka miala ao amin’i Babylona Lehibe. w23.05 22:15-16

Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro—2025
Tonga soa.
Fitaovana natao hikarohana ao amin'ireo boky amin’ny fiteny samihafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ity.
Jereo ao amin'ny jw.org raha te haka boky.
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara