HIRA 46
Misaotra, Jehovah
Endrika Sary
	- 1. Misaotra, Jehovah, fa eo foana ianao, - Mitarika anay am’izay atao. - Ianao tena mihaino ary akaikin’ny fo; - Ny vavaka anie tena tombontsoa! 
- 2. Tsy hainay Jehovah ’zay teny holazaina - Fa misaotra anao eram-po sy saina, - Satria sarobidy ny ran’i Kristy; - ’Zahay koa ampianao tsy ho very dia. 
- 3. Ianao koa Jehovah no hanala ny ratsy; - ’Lay Fanjakanao efa atsy ho atsy. - Dia ny fitoriana, tombontsoa tsara loatra, - Ka ny teninay: ‘Rainay ô, misaotra!’ 
(Jereo koa ny Sal. 50:14; 95:2; 147:7; Kol. 3:15.)