Eksodosy 39:28 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 28 satroka lamba+ sy fehiloha+ firavahan’ny mpisorona izay samy vita tamin’ny rongony tena tsara, ary kilaoty lava+ vita tamin’ny kofehy rongony miolana tsara; Eksodosy 39:30 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 30 Farany, dia nataon’izy ireo tamin’ny volamena tsy misy fangarony ilay takela-bolamena masina* mamirapiratra, ka nasiany soratra hoe: “An’i Jehovah ny fahamasinana.”+ Nataony sokitra toy ny fanao amin’ny tombo-kase izany. Levitikosy 8:9 Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao 9 Dia napetrany teo amin’ny lohan’i Arona ny satroka lamba,*+ ary nataony teo anoloana tamin’ilay satroka ny takela-bolamena mamirapiratra, izay famantarana masina hoe voatokana izy.+ Araka izay nandidian’i Jehovah azy no nataon’i Mosesy.
28 satroka lamba+ sy fehiloha+ firavahan’ny mpisorona izay samy vita tamin’ny rongony tena tsara, ary kilaoty lava+ vita tamin’ny kofehy rongony miolana tsara;
30 Farany, dia nataon’izy ireo tamin’ny volamena tsy misy fangarony ilay takela-bolamena masina* mamirapiratra, ka nasiany soratra hoe: “An’i Jehovah ny fahamasinana.”+ Nataony sokitra toy ny fanao amin’ny tombo-kase izany.
9 Dia napetrany teo amin’ny lohan’i Arona ny satroka lamba,*+ ary nataony teo anoloana tamin’ilay satroka ny takela-bolamena mamirapiratra, izay famantarana masina hoe voatokana izy.+ Araka izay nandidian’i Jehovah azy no nataon’i Mosesy.