26 “‘Ny biby voalohan-teraka ihany, izay voalohan-teraka ho an’i Jehovah,+ no tsy tokony hisy olona hanamasina. An’i Jehovah izany, na omby na ondry na osy.+
13 fa ahy ny lahimatoa rehetra.+ Tamin’ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta,+ dia nohamasiniko ho ahy ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Israely, na olona na biby.+ Dia ho ahy ireny. Izaho no Jehovah.”
15 “Ho anao koa ny voalohan-teraka rehetra+ amin’ny karaza-nofo rehetra, izay hatolony ho an’i Jehovah, na olona izany na biby. Tsy maintsy havotanao anefa ny voalohan-teraky ny olona,+ ary havotanao koa ny voalohan-teraky ny biby maloto.+
17 Ny lahy voalohan-teraky ny omby na ondry na osy ihany no tsy havotanao fa masina.+ Hafafinao eo ambony alitara ny rany,+ ary hodoranao mba hidona-tsetroka ny taviny, ho fanatitra atao anaty afo, ho hanitra mampitony an’i Jehovah.+