FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Josoa 23:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Fa raha miala aminy kosa ianareo+ ka mifikitra amin’ny sisa tavela amin’ireo firenena+ mbola eo aminareo ireo, ary mifanambady*+ amin’ireo ka mifanerasera aminy ary izy ireo koa mifanerasera aminareo,

  • 2 Tantara 15:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Koa nandeha nankany amin’i Asa izy, ary niteny taminy hoe: “Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra! Momba anareo foana i Jehovah, raha momba azy ianareo.+ Ary raha mitady+ azy ianareo, dia hataony izay hahitanareo azy, fa raha mahafoy azy kosa, dia hafoiny koa.+

  • Ezra 8:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Fa nahamenatra ahy ny hangataka tafika+ sy mpitaingin-tsoavaly+ tamin’ny mpanjaka, mba hiaro anay tamin’ny fahavalo teny an-dalana. Efa nilaza tamin’ny mpanjaka mantsy izahay hoe: “Ny tanan’Andriamanitray+ dia momba an’izay rehetra mitady azy sy te hanao ny tsara,+ fa ny heriny sy ny fahatezerany+ kosa mihatra amin’izay rehetra mahafoy azy.”+

  • Isaia 1:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Hiaraka ho montsamontsana ny mpikomy sy ny mpanota,+ ary ho fongotra ireo mahafoy an’i Jehovah.+

  • Jeremia 17:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ho menatra izay rehetra mahafoy anao,+ ry Jehovah, fanantenan’ny Israely+ ô! Hosoratana eo amin’ny tany ny anaran’ireo mivadi-pinoana sy miala aminao,*+ noho izy ireo mahafoy an’i Jehovah, loharanon’ny rano velona.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara