FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 22:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 “Aza manozona an’Andriamanitra+ na ny mpiadidy eo amin’ny firenenao.+

  • 2 Samoela 16:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ary sady nanozona i Simey no niteny hoe: “Ndeha mandeha any! Ndeha mandeha any, ry lehilahy mpandatsa-dra+ sady tsy manjary!+

  • 1 Mpanjaka 21:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Dia nisy roa lahy niditra ka nipetraka teo anoloan’i Nabota, ary olona tsy manjary izy roa lahy ireo. Ary niampanga an’i Nabota teo anatrehan’ny olona izy roa lahy hoe: “Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota!”+ Avy eo, dia nentin’ny olona nivoaka teny an-tsisin-tanàna izy, ary notorahany vato ka maty.+

  • Salamo 105:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Ka nanao hoe: “Aza mikasika ny voahosotro,+

      Ary aza manisy ratsy ny mpaminaniko.”+

  • Mpitoriteny 10:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Aza manozona ny mpanjaka na dia ao amin’ny efitranonao aza,+ ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao amin’ny efitrano anatiny atorianao aza.+ Fa na ny voro-manidina eny amin’ny lanitra aza hitondra ny feo, ary izay manana elatra hanambara izany.+

  • Asan’ny Apostoly 23:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ary hoy i Paoly: “Tsy fantatro hoe mpisoronabe izy, ry rahalahy, fa voasoratra aloha hoe: ‘Aza vingavingaina ny mpitondra eo amin’ny firenenao.’”+

  • 2 Petera 2:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 indrindra fa ireo mandeha araka ny filan’ny nofony ka tonga maloto,+ ary manamavo ny manana fahefana.+

      Sahisahy sy be di-doha izy ireo ka tsy mangovitra eo anoloan’ireo manana voninahitra, fa manevateva+ kosa.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara