18 Koa izay mandositra noho ny feon-javatra mampihorohoro dia ho latsaka ao an-davaka, ary izay miakatra avy ao an-davaka kosa ho azon’ny fandrika.+ Fa hosokafana ny vavahadin-drano any ambony,+ ary hihovotrovotra ny fototry ny tany.+
3 Ary raha miafina eny an-tampon’i Karmela izy, dia eny no hikarohako azy sy hakako azy.+ Ary raha miafina any amin’ny fanambanin’ny ranomasina+ izy mba tsy ho hitan’ny masoko, dia any ambany any no handidiako ny bibilava mba hanaikitra azy.