FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Isaia 14:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Samy faly noho izay manjo anao ny hazo zenevrie+ sy ny sederan’i Libanona, ka manao hoe: ‘Hatrizay nahalavoanao izay, dia tsy nisy intsony mpikapa hazo+ tonga hikapa anay.’

  • Isaia 37:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Ny mpanomponao no nampiasainao hihantsiana an’i Jehovah, ka hoy ianao:+

      ‘Ny kalesin’adiko maro be+

      No hiakarako eny amin’ny tendrombohitra avo indrindra,+

      Any amin’ny faritra lavitra indrindra ao Libanona.+

      Ary hokapaiko ny hazo sedera avo sy ny hazo zenevrie+ tsara indrindra any.

      Dia hiditra ao amin’ny toerana avo faran’izay lavitra any aho, any amin’ny alany mahavokatra.+

  • Isaia 60:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 “Ho tonga any aminao ny voninahitr’i Libanona, mbamin’ny hazo zenevrie sy ny hazo volondavenona ary ny siprey,+ mba hahatsara tarehy ny toerako masina.+ Dia homeko voninahitra ny fitoeran-tongotro.+

  • Ezekiela 31:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Tsy nisy sahala aminy mihitsy ny sedera tao amin’ny zaridainan’Andriamanitra.+ Tsy mba nitovy tamin’ny sampany ny an’ny hazo zenevrie. Ary tsy mba tahaka ny rantsany ny an’ny hazo platana. Tsy nisy tsara tarehy toa azy ny hazo tao amin’ny zaridainan’Andriamanitra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara