FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 fa amin’ity indray mandeha ity dia alefako hamely ny fonao sy hamely ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra avy amiko, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka ahy na aiza na aiza eran-tany.+

  • Josoa 9:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Dia hoy ireo: “Avy any an-tany lavitra be+ izahay mpanomponao, ary tonga atỳ noho ny amin’ny anaran’i+ Jehovah Andriamanitrao. Efa renay mantsy ny lazany sy izay rehetra nataony tany Ejipta,+

  • 1 Samoela 4:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Hahita loza isika! Iza no hamonjy antsika eo an-tanan’izany Andriamanitra heni-kaja izany? Izy ilay Andriamanitra namely an’i Ejipta tamin’ny fandripahana isan-karazany tany an-tany efitra.+

  • Isaia 37:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Angaha tsy renao+ fa izany no fanapahan-kevitro efa hatry ny ela be?+

      Efa hatramin’ny taloha aho no nikasa hanao izany.+ Koa ankehitriny dia hotanterahiko izany.+

      Ary ianao no hahatonga ny tanàna voaro mafy ho lasa aolo, toy ny tanàna lasa korontam-bato miavosa.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara