FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 37:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Koa nanome baiko i Zedekia Mpanjaka ka nohazonina tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina+ i Jeremia. Ary nomena mofo iray isan’andro, avy tany amin’ny Lalan’ny mpanao mofo,+ izy mandra-pahalanin’ny mofo rehetra tao an-tanàna.+ Dia nijanona tao amin’ny Tokotanin’ny Mpiambina i Jeremia.+

  • Jeremia 38:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Izay mijanona ato amin’ity tanàna ity no ho fatin’ny sabatra+ sy ny mosary+ ary ny areti-mandringana.+ Fa izay mivoaka ho eny amin’ny Kaldeanina kosa no tsy ho faty, fa ny ainy no ho babony ka ho velona izy.’+

  • Fitomaniana 4:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Main’ny hetaheta ny zaza minono ka niraikitra tamin’ny lanilaniny ny lelany.+

      Nangataka hanina ny ankizy,+ nefa tsy nisy nanome.+

  • Ezekiela 5:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ny ampahatelonareo ho fatin’ny areti-mandringana+ sy ho ripaky ny mosary eo anivonareo.+ Ary ny ampahatelony kosa ho lavon-tsabatra manodidina anareo. Ny ampahatelony sisa kosa haeliko any amin’ny vazan-tany efatra,+ ary hanatsoaka sabatra aho hamelezana azy ireo.+

  • Ezekiela 7:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Sabatra+ no eny ivelany, ary areti-mandringana sy mosary no ao anatiny.+ Ho fatin-tsabatra izay eny an-tsaha, ary izay ao an-tanàna kosa ho ripaky ny mosary sy ny areti-mandringana.+

  • Ezekiela 14:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 “Fa izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘Ho toy izany no hitranga rehefa hampihariko amin’i Jerosalema ny didim-pitsarako efatra mitera-doza,+ dia ny sabatra sy ny mosary sy ny bibidia masiaka ary ny areti-mandringana,+ mba ho ripaka daholo ny olona sy ny biby fiompy ao.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara