FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Haparitako any amin’ny firenen-kafa ianareo,+ ary hanatsoaka sabatra hanenjehana anareo aho.+ Dia tsy hisy mponina ny taninareo,+ ary ny tanànanareo ho rava tsy hisy mponina.

  • Deoteronomia 4:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 dia hataoko ho vavolombelona hiampanga anareo ny lanitra sy ny tany+ anio, fa tsy ho ela ianareo dia ho ripaka tokoa ka tsy ho eo amin’ilay tany izay halainareo ho fanananareo eny ampitan’i Jordana. Tsy ho lava andro iainana ianareo eo, fa ho ringana+ tokoa.

  • Deoteronomia 28:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Ary halefan’i Jehovah+ hankany amin’ny firenena tsy fantatrao, sady tsy fantatry ny razanao, ianao sy ny mpanjaka+ izay hapetrakao hifehy anao. Hanompo andriamani-kafa vato aman-kazo ianao any.+

  • Deoteronomia 28:64
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 64 “Ary haparitak’i Jehovah any amin’ny firenena rehetra, hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ianao,+ ka any ianao no hanompo andriamani-kafa, vato aman-kazo, izay tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razanao.+

  • 2 Mpanjaka 23:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Ary hoy i Jehovah: “Hesoriko tsy ho eo imasoko+ koa ny Joda,+ toy ny nanesorako ny Israely.+ Ary holaviko ity tanànan’i Jerosalema nofidiko ity, sy ilay trano izay nolazaiko hoe: ‘Hitoetra ao ny anarako.’”+

  • Jeremia 24:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Hataoko mangovitra ny fanjakana rehetra eto an-tany mahita ny manjo azy ireo. Hataoko mahita loza koa izy ireo any amin’ny fanjakana rehetra eto an-tany,+ ka holatsaina sy ho lasa teny fanarabiana sy ho teny fanesoana+ ary ho fanozonana+ any amin’ny toerana rehetra hanaparitahako azy.+

  • Jeremia 25:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Ho rava tanteraka ity tany manontolo ity ka higagan’ny olona. Ary ireo firenena ireo kosa hanompo ny mpanjakan’i Babylona fitopolo taona.”’+

  • Ezekiela 12:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 ‘“Fa izaho Jehovah no hilaza izay tiako holazaina, ka ho tanteraka izany.+ Tsy hisy hataka andro intsony,+ satria hilaza zavatra aho amin’izao andronareo+ izao ka hotanterahiko tokoa izany, ry taranaka mpikomy ô!”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.’”

  • Ezekiela 24:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Izaho Jehovah no miteny,+ ka ho tonga tokoa izany+ ary tena hanao zavatra aho. Tsy hanao tsirambina an’izany aho,+ ary tsy hiantra+ na hanenina.+ Hotsarain’izy ireo araka izay nataonao sy ny zava-dratsy vitanao ianao’,+ hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara