FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 7:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Avy hatrany dia nanao izany i Mosesy sy Arona,+ araka izay nandidian’i Jehovah.+ Koa nanainga ny tehina izy, ary nikapoka ny rano tao amin’ny Reniranon’i Neily teo imason’i Farao sy ny mpanompony,+ ka niova ho ra ny rano rehetra tao amin’ny Reniranon’i Neily.+

  • Eksodosy 8:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Koa natsotran’i Arona teo ambonin’ny ranon’i Ejipta ny tanany, ka nanomboka niakatra ny sahona ary nandrakotra ny tany Ejipta.

  • Eksodosy 8:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary nataon’izy ireo izany. Koa natsotran’i Arona ilay tanany nitana tehina ary nokapohiny ny vovo-tany. Dia nankamin’ny olona sy ny biby ny moka. Ary niova ho moka nanerana ny tany Ejipta ny vovo-tany rehetra.+

  • Eksodosy 9:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia nataon’i Jehovah tokoa izany ny ampitson’iny, ka maty avokoa ny karazana biby fiompy rehetra tao Ejipta.+ Fa ny biby fiompin’ny zanak’Israely kosa tsy nisy maty na iray aza.

  • Eksodosy 9:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Koa naka molaly tao amin’ny lafaoro fandoroana biriky izy roa lahy ary nitsangana teo anatrehan’i Farao. Dia natsipin’i Mosesy ho eny amin’ny lanitra ny molaly, ka niova ho vay mamoro-nana+ nipoipoitra teny amin’ny olona sy ny biby.

  • Eksodosy 9:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Koa natsotran’i Mosesy hanondro ny lanitra ny tehiny. Dia nandefa kotroka sy havandra+ i Jehovah, ary nisy afo koa nilatsaka tamin’ny tany. Ary nampilatsaka havandra be dia be teo amin’ny tany Ejipta i Jehovah.

  • Eksodosy 10:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Dia hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Atsory+ ambonin’ny tany Ejipta ny tananao mba ho avy ny valala. Amin’izay dia hiakatra ireny ka hihinana ny zavamaniry rehetra amin’ny tany, dia izay rehetra navelan’ny havandra.”+

  • Eksodosy 10:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Koa hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Atsory manondro ny lanitra ny tananao,+ mba hisy haizina amin’ny tany Ejipta, dia haizina mikitroka.”

  • Deoteronomia 4:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Sa Andriamanitra efa mba nanandrana naka firenena ho an’ny tenany avy tamin’ny firenena iray, tamin’ny alalan’ny fizahan-toetra,+ sy famantarana,+ sy fahagagana,+ sy ady,+ sy tanana mahery,+ sy sandry nahinjitra,+ ary zavatra tena mampahatahotra,+ toy izay rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo teo imasonareo, tany Ejipta?

  • Nehemia 9:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia nanao famantarana sy fahagagana ianao hamelezana an’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny olon-drehetra tao amin’ny taniny.+ Fantatrao mantsy fa nataony tsinontsinona+ ny razanay. Koa nampahalaza ny anaranao+ ianao, toy ny amin’izao anio izao.

  • Salamo 105:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Dia nasehon’izy roa lahy azy ny famantarana avy amin’Andriamanitra,+

      Ka nanao fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama izy mirahalahy.+

  • Asan’ny Apostoly 7:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Izy no namoaka azy ireo+ rehefa avy nanao zava-mahagaga sy famantarana maro tany Ejipta+ sy teo amin’ny Ranomasina Mena+ ary tany an-tany efitra efapolo taona.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara