FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 31:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Reko ny fanaratsian’ny maro.+

      Feno tahotra hatraiza hatraiza.+

      Rehefa mivondrona hamely ahy ireny,+

      Dia ny hanapitra ny aiko no tetehiny.+

  • Jeremia 6:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Aza mivoaka ho any an-tsaha na mandeha eny an-dalana fa manan-tsabatra ny fahavalo, ka manjaka hatraiza hatraiza ny tahotra.+

  • Jeremia 46:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 “‘Nahoana izy ireo no hitako mihorohoro? Mitakemotra izy ireo, ary resy tanteraka ny lehilahy maheriny, ka mandositra ary tsy miherika akory.+ Manjaka hatraiza hatraiza ny tahotra’,+ hoy i Jehovah.

  • Jeremia 49:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Ho lasan’olona ny tranolainy+ sy ny ondry aman’osiny+ sy ny lainy+ ary ny fitaovany rehetra. Hisy haka koa ny ramevany.+ Dia hisy hiantsoantso hilaza amin’ny mponin’i Kedara hoe: ‘Manjaka hatraiza hatraiza ny tahotra!’”+

  • Fitomaniana 2:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Toy ny amin’ny andro fety,+ dia nantsoinao ny mponina any amin’ireo tanànako manodidina misy ny mpivahiny.

      Ary tsy nisy afa-nandositra na tafavoaka velona, tamin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.+

      Naripaky ny fahavaloko ireo zaza salama tsara naterako sy notezaiko.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara