11 Amin’izay dia tsy hiala amiko intsony ny taranak’Israely+ ary tsy handoto ny tenany intsony amin’ny fahadisoana rehetra nataony. Dia ho oloko izy ireo, ary izaho ho Andriamaniny’, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony.”+
10 “‘Fa izao no fifanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany’, hoy i Jehovah: ‘Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony.+ Dia ho Andriamaniny aho,+ ary izy ireo ho oloko.+