FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 23:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Raha mankatò ny teniny an-tsakany sy an-davany anefa ianao ka tena manao izay rehetra holazaiko,+ dia ho fahavalon’izay fahavalonao aho ary hampahory an’izay mampahory anao.+

  • Isaia 33:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Lozanao, ry ilay mandroba nefa tsy nisy nandroba anao, ilay mamitaka nefa tsy nisy namitaka anao!+ Horobaina koa ianao raha vao avy mandroba,+ ary hofitahina ianao raha vao avy mamitaka.+

  • Isaia 41:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 “Ho menatra sy ho afa-baraka izay rehetra tezitra aminao,+ ary ho lasa tsinontsinona sy ho levona+ ny olona mifanditra aminao.

  • Jeremia 10:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Aoka ianao hanampatra ny fahatezeranao amin’ireo firenena+ tsy miraharaha anao+ sy amin’ireo foko tsy miantso ny anaranao.+ Fa nataony ripaka tanteraka i Jakoba.+ Eny, naripak’izy ireo izy+ sady mbola aringany foana. Ary nataon’izy ireo lasa aolo ny fonenany.+

  • Jeremia 25:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “‘Rehefa tapitra ny fitopolo taona,+ dia hataoko ampamoaka ny mpanjakan’i Babylona sy izany firenena izany+ noho ny fahadisoany’, hoy i Jehovah. ‘Hataoko ampamoaka ny tanin’ny Kaldeanina,+ ka hataoko lao mandritra ny fotoana tsy voafetra.+

  • Jeremia 50:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 “Antsoy hamely an’i Babylona ny mpandefa zana-tsipìka, dia izay rehetra manisy tady ny tsipìka.+ Mitobia manodidina azy mba hiady aminy, ka aza avela hisy ho afa-mandositra.+ Valio araka ny nataony izy.+ Sahala amin’izay rehetra nataony ihany no ataovy aminy.+ Fa nirehareha nanohitra an’i Jehovah izy, eny, nanohitra an’Ilay Masin’ny Israely.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara